Fiami Radio

Fiangonan'Andriamanitra Miray

Religion MG ↓ 174 episodes

Ny Fiangonan'Andriamanitra Miray dia mpikambana amin'ny United Church of God, Fikambanana Iraisam-pirenena, Vondrom-paritra Afrika Atsinanana. Mitory ny Filazantsara ary manomana vahoaka ho amin'ny Fanjakan' Andriamanitra. https://fiamiray.blogspot.com/

Author

Fiami Radio

Category

Religion

Podcast website

podcasters.spotify.com

Latest episode

Feb 13, 2023

Where to listen?

Podcasts in the app Replaio Radio Coming soon

Podcasts are coming to the app soon. Install now and be the first to see a whole new take on podcasts

Get it on Google Play Install for free Android 5M+ downloads · 4.8 rating iOS soon

Episodes

Ny fanekena amin'Andriamanitra: Fanekem-panambadiana 18.07.2021

Ny fanekena amin'Andriamanitra dia fanekem-panambadiana. Ny fiangonana no fofombadin'i Kristy ary misy fanekena mifehy izany fifankatiavana sy fifandraisana izany. Nefa mampalahelo fa ny zanak'Isiraely matetika dia nivadika tamin'izany fanekena izany. Toy izany koa isika ankehitriny, izay matetika tsy mandeha araka ny lalan'Andriamanitra ka mampahatezitra Azy. « Nefa tsy araka ny fanekena nat...

Inona no Fepetr'ilay Fanekena Vaovao? 18.07.2021

Jesosy Kristy dia nanavao ny fanekena amin'ny olony mba hahazoan'izay mino Azy fiainana mandrakizay. Inona no fepetr'ilay Fanekena Vaovao? « Ary araka izany koa ny kapoaka, rehefa vita ny sakafo, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin'ny rako, izay aidina ho anareo. » (Lioka 22:20) « Dia araka izany koa ny kapoaka, rehefa nihinana, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no ilay...

Fanoharana momba ny farantsa folo sy ny Fanjakan'Andriamanitra 18.07.2021

Jesosy Kristy dia nanao fanoharana maro momba ny Fanjakan'Andriamanitra ho avy, ary anisan'izany ny fanoharana momba ilay andriandahy nandeha nivahiny tany an-tany lavitra mba haka fahefana hanjaka, dia niverina. Inona no hevitry ny fanoharana? Inona no andrasan'ny Tompo amintsika? « Ary raha mbola nihaino izany ny olona, dia nandroso niteny ihany Jesosy ka nanao fanoharana, satria efa akaiky...

Fitahiana ho an'ny mino 18.07.2021

Jehovah Andriamanitra Ray dia manome teny fikasana feno fitahiana ho an'izay mitandrina ny didn'Andriamanitra. Mifanohitra amin"izany kosa dia hahazo ozona izay rehetra tsy mihaino sy tsy mitandrina ny Tenin'Andriamanitra. Andeha hojerentsika ny momba izany fitahiana izany. « [Ny soa izay ho valin'ny fanarahana an'i Jehovah, ary ny loza izay hanjo ny miala aminy kosa] Raha mihaino tsara ny fe...

Fivoriana masina: Pentekosta (Fetin'ny voaloham-bokatra) 18.07.2021

Ny Pentekosta dia fantatra amin'ny hoe fetin'ny voaloham-bokatra, ary hanaovana fotoam-pivavahana ho an'i Jehovah io fotoana io. « Ary manisà ho anareo hatramin'ny ampitson'ny Sabata, dia hatramin'izay andro itondranareo ny amboara ho fanatitra ahevaheva, dia fito herinandro mipaka. » (Levitikosy 23:15) « Dia amin'ny ampitson'ny Sabata fahafito no hahataperan'ny andro dimam-polo his...

Tena iray ao amin'ny Tompo ny mpino 18.07.2021

Tena iray ao amin'ny Tompo ny mpino satria Jesosy Kristy efa nivavaka mba hahatateraka izany. Inona no atao hoe "tena iray ao amin'ny Tompo"? « Tahaka ny nanirahanao Ahy ho amin'izao tontolo izao no mba nanirahako azy kosa ho amin'izao tontolo izao. » (Jaona 17:18) « Ary ho an'ireto no anamasinako ny tenako, mba hanamasinan'ny fahamarinanao azy. » (Jaona 17:19) « Nefa tsy ho an...

Tombontsoa azo avy amin'ny Fanahy Masina 18.07.2021

Ny Fanahy Masina dia fanomezana avy amin'Andriamanitra aorian'ny batisa. Ny Fanahy Masina dia herin'Andriamanitra mahagaga sy mahatalanjona ao anatin'ny mpino. Inona avy ny tombontsoa azo avy amin'ny fananana ny Fanahy Masina?

Ny Fampakaram-badin'ny Zanak'ondry 18.07.2021

Ny fampakaram-badin'ny Zanak'ondry dia andro firavoravoana lehive tokoa ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra. Iza no mpampakatra be voninahitra? Ary iza no vadiny? « Aoka isika hifaly sy ho ravoravo ka hanome voninahitra Ary; fa tonga ny fampakaram-badin'ny Zanak'ondry. Ka efa niomana ny vadiny. » (Apokalypsy 19:7) « Ary hoy koa izy tamiko Soraty: Sambatra izay nantsoina ho amin'ny fan...

Ny voromailala, endriky ny Fanahy Masina 18.07.2021

Nahoana no oharina amin'ny voromailala ny Fanahy Masina? Inona no toetra ananan'ny voromailala? « ary ny Fanahy Masina nidina teo amboniny, ka ny endriny dia tahaka ny voromailala; ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako; Hianao no sitrako. » (Lioka 3:22)

Testamenta Vaovao na Didim-pananana 18.07.2021

Inona ilay Testamenta Vaovao na didim-pananana? « Izay efa nampahaleo anay koa ho mpanompo amin'izay fanekena vaovao, nefa tsy amin'ny soratra, fa amin'ny Fanahy; fa ny soratra mahafaty, fa ny Fanahy no mahavelona. » (2 Korintiana 3:6) « Ary noho izany dia Mpanalalana amin'izay fanekena vaovao Izy, rehefa niaritra fahafatesana ho fanavotana amin'ny fahotana natao tamin'ny fanekena v...

Ny tombo-kasen'ny Fanahy Masina sy ny tombo-kasen'ny bibi-dia 18.07.2021

Ny tombo-kase dia marika apetaka amin'ny handrina sy ny tànana ankavanan'ny olona mba ho famantarana azy. Andriamanitra dia manome ny Sabata ho famantarana eo aminy sy ny olony. Nefa maro no mandà tsy mety mandray izany famantarana nomen'Andriamanitra izany. Ankoatry ny Sabata dia misy tombo-kase hafa koa nomen'Andriamanitra hamantarany ny tena olony. Izany famantarana izany no manavaka azy ireo a...

Fiainana araka ny Tenin'Andriamanitra 18.07.2021

Ny tena kristiana dia mivelona sy miaina araka ny Tenin'Andriamanitra. Ny Teny no nisiam-piainana ary fanazavana ny lalantsika Izy. « Fa tsy ny mpandre ny lalàna no marina eo anatrehan'Andriamanitra, fa ny mpankatò ny lalàna no hohamarinina; » (Romana 2:13) « Fa aoka ho mpankatò ny teny ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo. » (Jakoba 1:22)

Ny Batisan'ny Fanahy Masina 18.07.2021

« fa Jaona nanao batisa tamin'ny rano; fa ianareo kosa hatao batisa amin'ny Fanahy Masina, rehefa afaka andro vitsivitsy. » (Asan'ny Apostoly 1:5) « Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina; » (Asan'ny Apostoly 2:38) Nahoana...

Ny Fanahy Masina: hery mahagaga sy mahatalanjona 18.07.2021

Ny Fanahy Masina dia fanomezana avy amin'Andriamanitra ary io dia hery mahagaga sy mahatalanjona. « Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany. » (Asan'ny Apostoly 1:8) « [Ny amin'ny famonjena hataon'Ilay Solofon'i Davida, sy ny hira fiderana hatao amin'izany] Ary h...

Inona no kristiana marina? 18.07.2021

« Aoka hanahaka ahy ianareo, dia tahaka ny anahafako an'i Kristy. » (1 Korintiana 11:1) Inona no kristiana marina? 

Afaka mitoetra ao anatintsika ny herin'ny Fanahy Masina 18.07.2021

« Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany. » (Asan'ny Apostoly 1:8) Afaka mitoetra ao anatintsika ny herin'ny Fanahy Masina. Ahoana no tokony hatao mba hampitoetra ny herin'ny Fanahy Masina ao anatintsika?

Nahoana isika no mila ny Fanahy Masina ? 18.07.2021

« Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany. » (Asan'ny Apostoly 1:8) Avy aiza ny herin'ny Fanahy Masina? Inona no asany? Nahoana isika no mila ny herin'ny Fanahy Masina?

Solika fitaiza 18.07.2021

« Fa ny adala nandray ny fanalany*, nefa tsy nitondra solika fitaiza;[*Na: fanilony] » (Matio 25:3) Ny herin'ny Fanahy Masina no solika fitaiza hitomboantsika ara-panahy. Inona no atao hoe solika fitaiza? Ahoana no hahazoana io solika fitaiza io sy hanolokoloina azy?

Fa an'ny toa azy ny Fanjakan'Andriamanitra 18.07.2021

« Koa na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no ho lehibe indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra. » (Matio 18:4) Nahoana Jesosy Kristy no nilaza izany fanoharana izany? Inona no toetry ny zaza tokony hananantsika mba handivantsika ny Fanjakan'Andriamanitra?

Ny herin'ny Fanahy Masina: lakilen'ny tsi-fahafatesana feno voninahitra 18.07.2021

Ny herin'ny Fanahy Masina no lakilen'ny tsi-fahafatesana feno voninahitra. Inona no herin'ny Fanahy Masina? Ahoana no handovana fiainana mandrakizay? Iza kosa no handova fahafatesana? Inona no anjara omen'i Kristy izay maharesy?

Ny tranoko atao hoe trano fivavahana 18.07.2021

Isika no tempolin'Andriamanitra, ary raha tempolin'Andriamanitra dia tokony hatao trano fivavahana. Inona no atao hoe 'mivavaka'? Ahoana no hahatonga antsika ho tempoly masina sy marina ankasitrahan'Andriamanitra? 

Azo tanterahina ankehitriny ny famoronana antsika ara-panahy 18.07.2021

« Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana. » (Jaona 4:24) « Fa avy ny andro*, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. [*Gr. ora] » (Jaona 4:23) Tsy maintsy ateraky ny Fanahy isika raha maniry maf...

Aiza no ho tonga ilay Fanjakan'Andriamanitra? 18.07.2021

Ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna dia tsy nahalala an'i Jesosy Kristy rehefa tonga Izy. Ny olona niaina tamin'ny andron'i Kristy dia nihevitra fa Jesosy Kristy dia tonga handrava ny fanjakana Romana tamin'ny fotoan'androny ka hanorina fanjakana hisolo izany. Maro koa no mihevitra fa ao am-pon'ny olona ny fanjakan'Andriamanitra, ary izany foto-pisainana izany dia vokatry ny tsi-fahazoana tsara ny hev...

Fitomboana ara-panahy 18.07.2021

Nohariana araka ny nofo isika, nefa Andriamanitra dia naniraka ny Zanany lahitokana mba hanao fanavotana ho an'ny fanahitsika. Rehefa natao batisa isika dia mandray ny voan'Andriamanitra ary eo no manomboka ny fanorotoroana ara-panahy. Ilaina ny fitomboana ara-panahy mba hahatonga antsika ho zanak'Andriamanitra. Ahoana àry izany fitomboana ara-panahy izany? Inona no fomba hahatongavana amin'izany?

Fomba fanisana ny Pentekosta 18.07.2021

Ahoana no fomba fanisana ny Pentekosta?

Listen to the Fiangonan'Andriamanitra Miray podcast in Replaio

Radio and podcasts in one app - free, with no sign-up. Install today and do not miss the launch

Get it on Google Play

Replaio is not a podcast publisher; show names, artwork and audio belong to their authors and are distributed through public RSS feeds.