Fiami Radio

Fiangonan'Andriamanitra Miray

Religion MG ↓ 174 episodes

Ny Fiangonan'Andriamanitra Miray dia mpikambana amin'ny United Church of God, Fikambanana Iraisam-pirenena, Vondrom-paritra Afrika Atsinanana. Mitory ny Filazantsara ary manomana vahoaka ho amin'ny Fanjakan' Andriamanitra. https://fiamiray.blogspot.com/

Author

Fiami Radio

Category

Religion

Podcast website

podcasters.spotify.com

Latest episode

Feb 13, 2023

Where to listen?

Podcasts in the app Replaio Radio Coming soon

Podcasts are coming to the app soon. Install now and be the first to see a whole new take on podcasts

Get it on Google Play Install for free Android 5M+ downloads · 4.8 rating iOS soon

Episodes

Fivoriana masina: Paska (14 Abiba hariva) 18.07.2021

Fanamasinana ny fotoam-pivavahana Paska, amin'ny fotoana voatendrin'i Jehovah, ny harivan'ny 14 Abiba.

Fiomanana Paska sy MTMM - Fiz.2 18.07.2021

Fiomanana Paska sy Mofo Tsy Misy Masirasira - Fiz.2 Ny sorona indray mandeha monja nataon'i Kristy

Fiomanana Paska sy MTMM - Fiz.4 18.07.2021

Fiomanana Paska sy Mofo Tsy Misy Masirasira - Fiz.4

Fiomanana Paska sy MTMM - Fiz.5 18.07.2021

Fiomanana Paska sy Mofo Tsy Misy Masirasira - Fiz.5

Fiomanana Paska sy MTMM - Fiz.3 18.07.2021

Fiomanana Paska sy Mofo Tsy Misy Masirasira - Fiz.3

Miara-mandeha amin'Andriamanitra ny Kristiana 18.07.2021

Ny kristiana dia miatrika ady sarotra sy fanenjehana ary fakam-panahy. Nefa izany dia tsy tokony atao mahakivy na handreraka satria isika dia miara-mandeha amin'i Kristy. Inona no tokony hatao mba hahatonga an'i Kristy hiaraka amintsika isanandro? Inona no atao hoe miara-mandeha amin'Andriamanitra?

Ny nakan'ny devoly fanahy an'i Jesosy 18.07.2021

Inona no fianarana azo tsoahina amin'ny fakam-panahy nahazo an'i Jesosy Kristy? « Ary Jesosy feno ny Fanahy Masina dia niverina avy tany Jordana, ary nentin'ny Fanahy tany an-efitra efa-polo andro Izy » (Lioka 4:1) « ka nalain'ny devoly fanahy. Ary tsy nihinan-kanina akory Izy tamin'izany andro izany, ka rehefa tapitra izany, dia noana Izy. » (Lioka 4:2) « Ary hoy ny devol...

Mahatsiarova ny andro Sabata 18.07.2021

Jehovah Andriamanitra dia nanao ny Sabata ho famantarana aminy sy ny olony (Ezekiela 20:12) « Kanjo niodina tamiko koa ny zanany: tsy nandeha araka ny didiko izy, na nitandrina hanaraka ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany, fa nandoto ny Sabatako izy, ka dia hoy Izaho: Haidiko aminy ny fahavinirako. ary hotanterahiko aminy any an-efitra ny fahatezerato. » (Ezekiela 20:21...

Miara-mandova amin'i Kristy ny mpandresy 18.07.2021

Ady isanandro no atrehin'ny kristiana raha maniry mafy ny hiorina amin'ny finoana izy. Ady ny fitandremana ny didin'Andriamanitra, ary maro ny fitaoman-dratsy sy ny fakam-panahy atrehina isanandro. Jesosy Kristy nefa dia nanome teny fikasana ho an'izany maharesy, dia tsy inona izany fa ny ho mpiara-mandova fanjakana aminy. Inona no tokony hatao mba hahatonga antsika ho mpandresy?

Ambanin'ny Lalàna - Ambanin'ny Fahasoavana 18.07.2021

Tenin'Andriamanitra: Deotoronomia 6:1-9, Jaona 15:1-8, Galatiana 5:16-26 « Fa ny ota tsy hanan-kery aminareo; fa tsy mba ambanin'ny lalàna ianareo, fa ambanin'ny fahasoavana. » (Romana 6:14) Inona marina no atao hoe "ambanin'ny lalàna" sy "ambanin'ny fahasoavana"? Afaka amin'ny lalàna ve ny mpino kristiana rehefa tonga ambanin'ny fahasoavana?  « Ahoana ary? hanota va isika, sai...

Mizotra ho amin'ny Fanjakan'Andriamanitra 18.07.2021

Inona no atao hoe 'mizotra ho amin'ny Fanjakan'Andriamanitra"? Inona no fiomanana tokony hataontsika amin'izany?

Ny Vokatry ny Fanahy 17.07.2021

Deotoronomia 6:1-9 - Jaona 15:1-8 - Galatiana 5:16-26 Ny atao hoe ambany lalàna sy ambany fahasoavana

Ny Fetin'ny Tabernakely sy ny Fanjakan’Andriamanitra 05.06.2021

Sekoly Sabata sy Fampaherezana - Fiangonan'Andriamanitra Miray, United Church of God, Fikambanana Iraisam-pirenena, Faritra Afrika Atsinanana.

Ny Herin'ny Fanahy Masina 05.06.2021

Batisan'ny Fanahy Masina - Hery mahagaga sy mahatalanjona

Miomana ho amin'ny Fanjakan'Andriamanitra 29.05.2021

Miomana ho amin'ny fampakaram-badin'ny Zanak’ondry sy ny Fanjakan'Andriamanitra. Inona no tokony hataontsika mba hahazoantsika mandova an'Andriamanitra sy miara-mandova an'i Kristy?

Ny Tempolin’Andriamanitra 10.05.2021

Ny Tempoly dia maneho ny Tempolin’Andriamanitra any an-danitra, nefa maneho ny tenantsika koa. Mila fiomanana isika izay tempolin'ny Fanahy Masina mba ho mendrika amin'izany fampakaram-badin'ny Zanak’ondry.

"Fanekem-panambadiana amin'Andriamanitra" 10.05.2021

Ny fanekena nataon'i Jehovah tamin'ny Zanak'Isiraely dia Fanekem-panambadiana. Nefa izy ireo dia tsy nahay nitandrina ilay fanekena. Mila fiomanana isika izay tempolin'ny Fanahy Masina mba ho mendrika amin'izany fampakaram-badin'ny Zanak’ondry izany.

Ny Batisan'ny Rano 01.05.2021

Ankoatry ny fibebahana sy ny finoana, ny batisa dia anisan'ny fepetra ilaina amin'ny Famonjena. Inona no atao hoe batisa? Inona ny fibebahana, ny finoana, ary ny Fanahy Masina? Nahoana Andriamanitra no namonjy an'i Noa tamin'ny Safo-drano? Inona no maha-zava-dehibe ny Batisan'ny Rano? Azonao henoina ny momba izany.

Mizotra ho amin'ny Fanjakan'Andriamanitra 01.05.2021

Rehefa nitandrina ny Mofo Tsy Misy Masirasira hafitoana isika taorian'ny Paska, dia hiverina indray amin'ny Mofo Misy Masirasira. Manambara Inona ny masirasira eto? Iza no santatra sy voaloham-bokatry ny Fanahy? Manambara Inona ilay Amboara Iray Ahevaheva? Manambara Inona ny masirasira aparitaka amin'ny koba? Inona no tokony hataontsika mba hirosoana hatrany ho amin'ny Fanjakan'Andriamanitra?

Mizotra ho amin'ny Fanjakan'Andriamanitra - Toriteny - Fiverenana amin'ny Mofo Misy Masirasira 24.04.2021

Ny tenin'Andriamanitra: Genesisy 19:15-26, Lioka 17:28-32, Apokalypsy 18:1-10. Anio no andro farany amin'ny Mofo Tsy Misy Masirasira. Ny masirasira dia manambara "ota". Tsy tokony hiverina manota intsony isika rehefa nodiovin'Andriamanitra (2 Petera 220-22). "Tsarovy ny vadin'i Lota". Asain'Andriamanitra miala amin'ny fanaon'izao tontolo izao isika mialoha ny hanapotehany azy. Inona no tanjon'Andr...

Inona no atao hoe "ratsy fanahy"? 22.04.2021

Ny Baiboly dia milaza zavatra maro momba ny olona antsoina hoe "ratsy fanahy". Ao amin'ny Bokin'i Joba ohatra dia ahitana teny toy izao: « Ny ratsy fanahy mijalijaly amin'ny androny rehetra, dia amin'ny taona rehetra voatendry ho an'ny lozabe. » (Joba 15:20) « Izany tokoa no anjaran'ny ratsy fanahy, ary izany no manjo ny tsy mahalala an'Andriamanitra. » (Joba 18:21) Inona marina no atao hoe ratsy...

Ny Nahaterahan’ny Firenena Iray ho an’i Jehovah 15.04.2021

Ny fanomezana ny Didy Folo dia nanorina ny lalàna izay iorenan'ilay fifanekena taloha. Tamin'ny alàlan'ny fanekena taloha, Andriamanitra dia manana tanjona lehibe ho an'ny Isiraelita fahiny. Amin’ny maha fanjakana ny olom-boafidy, dia ho mpanjaka izy, hanapaka tanàna betsaka na vitsy, araka ny fiezahany nandritry ny fiofanany teto an-tany (Lioka 19:16-19; Apokalypsy 2:26-27; 3:21; 5:10; 20:4b; Dan...

Miomana ho amin'ny Pentekosta - Sekoly Sabata 11.04.2021

Ny Fiangonan'Andriamanitra voalohany dia nahazo ny fanomezana Fanahy Masina rehefa nitandrina ny tenin'i Kristy. (Asa 1 sy 2). 120 monja no isan'ireo nanolotena sy nitandrina izany. Noho ny fiasan'ny herin'Andriamanitra dia 3000 no nanampy isa ireo voaloham-bokatra tamin'io andro Pentekosta io ihany. Jehovah dia miasa foana amin'ireny andro firavoravoana voatendriny ireny. Ny Didy Folo ohatra dia...

Miroso ho amin'ny Pentekosta: Miomana hihaona amin'Andriamanitra 10.04.2021

Eksodosy 19:1-11 - Lioka 12:29-34 - Asa 2:1-12. Toriteny nataon'i Dr. Daniel Rakotondravony, Ph. D., Fiangonan' Andriamanitra Miray.

Listen to the Fiangonan'Andriamanitra Miray podcast in Replaio

Radio and podcasts in one app - free, with no sign-up. Install today and do not miss the launch

Get it on Google Play

Replaio is not a podcast publisher; show names, artwork and audio belong to their authors and are distributed through public RSS feeds.