Fiami Radio

Fiangonan'Andriamanitra Miray

Religion MG ↓ 174 episodes

Ny Fiangonan'Andriamanitra Miray dia mpikambana amin'ny United Church of God, Fikambanana Iraisam-pirenena, Vondrom-paritra Afrika Atsinanana. Mitory ny Filazantsara ary manomana vahoaka ho amin'ny Fanjakan' Andriamanitra. https://fiamiray.blogspot.com/

Author

Fiami Radio

Category

Religion

Podcast website

podcasters.spotify.com

Latest episode

Feb 13, 2023

Where to listen?

Podcasts in the app Replaio Radio Coming soon

Podcasts are coming to the app soon. Install now and be the first to see a whole new take on podcasts

Get it on Google Play Install for free Android 5M+ downloads · 4.8 rating iOS soon

Episodes

Fahamarinana momba ny Sabata - Fiz 1 27.08.2021

Inona no atao hoe Sabatan’i Jehovah? Ahoana no fitandremana azy?

Fitandremana ny andro masin'Andriamanitra - Fiz 2 27.08.2021

Nanendry fotoam-pivavahana hitsaharana sy hanaovana fivoriana masina ho Azy Jehovah. Paska, Mofo Tsy Misy Masirasira, Pentekosta. Tsy maintsy any Jerosalema ve no hitandremana ny fety? Mbola mila mitondra biby atao fanatitra ihany sy vary tririka koa ve?

2021-08-21- Ny antony tsy maintsy hitandreman'ny Kristiana ny andro masin'Andriamanitra - Fiz 1 27.08.2021

Inona no antony tsy maintsy hitandreman'ny Kristiana ny andro masin'Andriamanitra? Eksodosy 31:12-18, Marka 3:1-6, 2 Petera 3:8-10. Raha Andriamanitra no manendry fotoana hivavahana Aminy, dia tokony hanendry fotoana hafa ve ny olombelona? Mbola tokony hotandremana ve ny andro firavoravoana voatendrin’i Jehovah?

Fitandremana ireo Andro Masin’Andriamanitra - Fiz 3 27.08.2021

Trompetra, Fanavotana, Tabernakely, Fara-Fivoriana

2021-08-14 - Ny Fetin’ny Trompetra sy ny fahateraham-baovao 14.08.2021

Ny Hevi-panahin'ny andro firavoravoana fahatsiarovana amin'ny Fitsofana Trompetra no manambara ny fahateraham-baovao, rehefa miverina i Kristy.

Fanomanana ny Andro firavoravoana volana fahafito : Homem-boninahitra ny vahoakan'Andriamanitra 14.08.2021

Fanomanana ny Tabernakely (Fiz 2): Levitikosy 23, Jaona 7, 1 Korintiana 15

Fanomanana ny Tabernakely 14.08.2021

Levitikosy 23:23-32 - Jaona 7: 37-43 - 1 Korintiana 15: 50-58

Fiomanana ho amin'ny Fetin'Andriamanitra amin'ny Volana Fahafito - 07/08/2021 07.08.2021

Fiomanana ho amin'ny Fetin'Andriamanitra amin'ny Volana Fahafito. Toriteny sy Sekoly Sabata. "Homem-boninahitra ny vahoakan'Andriamanitra". Inona no hevi-panahin'ny andro firavoravoana voatendrin'i Jehovah amin’ny volana fahafito?

Inona no ilain'i Jehovah amintsika? Sabata 07/08/2021 07.08.2021

Mika 6: 8. Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara Sy izay ilain'i Jehovah aminao, Dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindram-po Ary ny hanaraka an'Andriamanitrao amin'ny fanetren-tena.

Ny Fanahy Masina sy ny Fiangonan'Andriamanitra - Fiz. 2 - 2021-07-31 31.07.2021

Sekoly Sabata Kristy no lohan'ny fiangonana, ny fiangonana no tena. Izy no manapaka ny fiangonana. Fanahy iray no nanaovana batisa antsika ho lasa tena iray, dia ny fiangonan'Andriamanitra izany. Ny Fanahy Masina no manao batisa antsika, na manitrika antsika ao anatin'ny tenan'i Kristy - na fiangonan'i Kristy. Ny lalana hahatongavana amin'izany dia: Mino Mibebaka Atao batisa Fametrahan-tanana aori...

Mitaiza ny fiangonana ho amin'ny lalan'Andriamanitra 31.07.2021

Fampaherezana - Sabata 2021-07-31 Enina hetsy lahy no isan'ny zanak'Isiraely avy tany Egypta (Nomery 11:16-29). Maro tamin'izy ireo no tsy tafiditra tao amin'ny tany Kanana noho ny fimonomononany sy ny tsi-finoany. Ny zanak'Isiraely dia te-hijanona ho andevo tany Egypta. Ny tany Kanana dia tandindon'ny Fanjakana Arivo Taonan'i Kristy. Mosesy dia mbola hampianatra ny lalàn'Andriamanitra any amin'ny...

Ny Fahafolon-karena 31.07.2021

Misy telo karazana ny antony tokony handoavana Fahafolon-karena voalazan’ny Baiboly. Henoy ny fanazavana araka ny Soratra Masina.

Ny Fanahy Masina sy ny Fiangonan'Andriamanitra - Fiz. 1 - 2021-07-31 31.07.2021

Tenin'Andriamanitra :  Nomery 11:16-29, Jaona 21:15-19, 1 Korintiana 12:1-14 Andriamanitra dia manome ny Fanahiny ho an'ny olona izay irahiny hanao ny asany. Tamin'ny andron'i Mosesy dia nisy 70 lahy nomena Fanahy Masina ary naminany ireo. Mosesy dia naniry ny hananan'ny olona rehetra ny Fanahin'Andriamanitra mba hahatonga azy ireo hatahotra an'Andriamanitra. Jesosy Kristy koa dia naniraka 70...

Aoka ho tanteraka hianareo 24.07.2021

Inona no atao hoe "tanteraka"? Ahoana no haha antsika ho tanteraka amin'ny fanarahana an'i Kristy?

Nosokafana tamin'ny Pentekosta ny Fanomezana ny Fanahy Masina - 2021/07/24 - Sekoly Sabata 24.07.2021

Nahantona nandritry ny arivo taona maro ny fanomezana ny Fanahin’Andriamanitra tamin'ny olombelona rehetra rehefa nanota i Adama sy Eva.... Taorian'ny niakaran'i Jesosy Kristy tany an-danitra nefa dia nomena izay mitandrina sy mankatoa ny Tenin'Andriamanitra ny Fanahy Masina.

Nahoana no nahantona ny fanomezana ny Fanahy Masina tamin'ny olombelona? 2021-07-24 -Fiz. 1 24.07.2021

Raha namorona ny olombelona Andriamanitra, dia nanome azy ireo ny hazon'aina. Nefa ny olona dia nisafidy ny fahafatesana tamin'ny tsi-fankatoavana an'Andriamanitra sy ny fihinana ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Ny toriteny no manome ny andinindininy rehetra.

Fanisana ny hateloan'alina sy hateloan'andro 20.07.2021

Matio 12: 38. Ary tamin'izany ny sasany tamin'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo namaly Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, ta-hahita famantarana avy aminao izahay. 39. Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy famantarana ny amin'i Jona mpaminany; 40. fa tahaka ny nitoeran'i Jona hateloan...

Maty tamin'ny antsasaky ny herinandro I Kristy 20.07.2021

Maty tamin'ny antsasaky ny herinandro, nilevina hateloan'andro sy hateloan'alina. Daniela 9 :24-27, Matio 12 :38-40

Paska : Hevitra ara-bakiteny sy ara-panahy 20.07.2021

Ny Paska dia anisan'ireo andro firavoravoana voatendrin'i Jehovah isan-taona. Ny 14 Abiba rehefa hariva no itandremana ny Paska.

Miomana hihaona amin'Andriamanitra 18.07.2021

Miomana hihaona amin'Andriamanitra Jehovah Andriamanitra Ray dia masina ary izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita Azy.  « Miezaha mitady fihavanana amin'ny olona rehetra ary fahamasinana; fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo. » (Hebreo 12:14) Mila fiomanana ny fihaonana amin'Andriamanitra. Raha isika no fofombadin'i Kristy, inona no fiomanana tsy maintsy hatao...

Ny nahaterahan'ny firenena iray ho an'i Jehovah 18.07.2021

Ny nahaterahan'ny firenena iray ho an'i Jehovah

Fanomanana ny Pentekosta 18.07.2021

Fiomanan'ny fiangonana mialoha ny Pentekosta Jehovah dia nanome toro-marika an'i Mosesy mba hanamasina ny vahoaka mialoha ny hihaonany amin'Andriamanitra. Inona no fiomanana tsy maintsy atao mialoha ny Pentekosta? « [Ny fiomanan'ny Zanak'Isiraely alohan'ny nanomezan'Andriamanitra azy ny Lalàna] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro Aho mankeo aminao ao anatin'ny rahona maizina, mba ho ren'ny olona...

Inona no atao hoe "ratsy fanahy"? 18.07.2021

Ny ratsy fanahy dia tsy mba handova ny Fanjakan'Andriamanitra, ary voalazan'ny Soratra Masina fa hanana anjara any amin'ny fahafatesana faharoa. Inona no atao hoe ratsy fanahy? Andeha ho fantarintsika ny momba izany mba hifadiantsika ny faharatsiana rehetra. « Izay manao ny tsy marina aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy; ary izay maloto, aoka mbola hihaloto ihany izy; ary izay marina kos...

Mizotra ho amin'ny Fanjakan'Andriamanitra 18.07.2021

Andriamanitra dia Fanahy sy Fahamarinana ary izay mivavaka aminy dia tsy maintsy mahafantatra izany. « Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana. » (Jaona 4:24) « Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay mivavaka aminy sy manao ny sitrapony no henoiny.. » (Jaona 9:31) Inona no atao hoe Mizotra ho amin'ny Fanjakan'And...

Ny Batisan'ny Rano 18.07.2021

Ny batisan'ny rano no dingana lehibe ho amin'ny famonjena ny fanahy aorian'ny fibebahana. Inona no tsara ho fantatra momba ny batisa?  « Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray* ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra. [*Na: ateraka avy ambony] » (Jaona 3:3) « Ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho...

Listen to the Fiangonan'Andriamanitra Miray podcast in Replaio

Radio and podcasts in one app - free, with no sign-up. Install today and do not miss the launch

Get it on Google Play

Replaio is not a podcast publisher; show names, artwork and audio belong to their authors and are distributed through public RSS feeds.