Fiami Radio

Fiangonan'Andriamanitra Miray

Religion MG ↓ 174 episodes

Ny Fiangonan'Andriamanitra Miray dia mpikambana amin'ny United Church of God, Fikambanana Iraisam-pirenena, Vondrom-paritra Afrika Atsinanana. Mitory ny Filazantsara ary manomana vahoaka ho amin'ny Fanjakan' Andriamanitra. https://fiamiray.blogspot.com/

Author

Fiami Radio

Category

Religion

Podcast website

podcasters.spotify.com

Latest episode

Feb 13, 2023

Where to listen?

Podcasts in the app Replaio Radio Coming soon

Podcasts are coming to the app soon. Install now and be the first to see a whole new take on podcasts

Get it on Google Play Install for free Android 5M+ downloads · 4.8 rating iOS soon

Episodes

Maharitra amin'ny Finoan'i Kristy 02.03.2022

Apokalypsy 14: 12. "Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy."

Ny Didy Folo sy ny Filazantsaran'ny Fanjakan'Andriamanitra 02.03.2022

Ny Didy Folo no lalàna ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra. Andeha hofantarina ny momba izany. Ny lahatsoratra mirakitra ny toriteny dia azonao vakiana ao amin'ny tranokalan’ny Fiangonan’Andriamanitra Miray.

Miomàna hanambady an'i Kristy 02.03.2022

Ny fiangonan'Andriamanitra masina sy marina no lazaina fa fofombadin'i Kristy. Mila fiomanana ny fiangonana mba ho vonona tsara rehefa tonga ny fampakaram-bady. Inona no fiomanana tsy maintsy hatao amin'izany? « Aoka isika hifaly sy ho ravoravo ka hanome voninahitra Ary; fa tonga ny fampakaram-badin'ny Zanak'ondry. Ka efa niomana ny vadiny. » (Apokalypsy 19:7)

Ny Fiantombohan'ny Tontolon'i Satana sy ny Tanjon'Andriamanitra amin'ny Fiangonana. 27.02.2022

Toriteny 2022-02-19 - Famaliana ireo fanontaniana mahaliana anao hatrizay: Avy aiza ny devoly? Inona no antony namoronan'Andriamanitra ny olombelona? Inona no antom-pisian'ny Fiangonana? Sy ny sisa.

Fitsanganana fahatelo - Fahafatesana faharoa 23.02.2022

Fanazavana momba ireo fitsanganana amin'ny maty sy ny fiainana mandrakizay ary ny Fahafatesana faharoa. Ny toriteny dia azonao vakiana manontolo ao amin'ny tranokalan’ny Fiangonan’Andriamanitra Miray, toriteny, volana fahafito, Tabernakely sy Fara_Fivoriana.

Fiainana Kristiana 17.02.2022

"Ny fiainana Kristiana dia fomba fiaina iray" Ny toriteny an-tsoratra sy ny fandalinana Soratra Masina mifandray dia azonao vakiana manontolo ao amin'ny tranokalan'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray, ao amin'ny Lohateny Toriteny: Fiainana Kristiana. Https://fiamiray.blogspot.com

Fanoherana ny Fampiakarana Miafina 13.02.2022

Miafina tokoa ve ny fiavian'i Kristy sy ny fanangonana ny olom-boavonjy? Hisy olona hanjavona tampoka tokoa ve tsy ho hitan'ny namany tampoka rehefa tonga i Kristy? Ary tsy ny olona rehetra ve izany no handre sy hahita ny fiaviany? Ny fanazavana feno dia azonao vakiana manontolo ao amin'ny tranokala, ao amin'ny Toriteny mifandray amin'ny lohahevitra hoe "Ny Fiangonana sy ny antom-pisiany".

Inona ny Fiangonana? Inona no antom-pisiany? 13.02.2022

Ny fiangonana dia manana ny lanjany manokana eo imason'Andriamanitra. Antony lehibe telo no namoronan'Andriamanitra ny Fiangonana. Ny toriteny dia azonao vakiana manontolo ao amin'ny tranokala.

Fitandremana ny Sabata 13.02.2022

Ny Sabata dia famantarana eo amin'i Jehovah Andriamanitra sy ny olony masina. Fa isika izay nino no miditra amin'izany fitsaharana izany, araka ny voalazany hoe: "Toy ny nianiako tamin'ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy" (Sal. 95.11), na dia vita hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao aza ny asa. (Hebreo 4:3) Ary amin'izao koa: "Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihit...

Inona no Filazantsara marina? 06.02.2022

Fantaro ny marina momba ny Filazantsaran'i Kristy.

Fety fito isan-taona 02.01.2022

Fiainana Kristiana: Ny fety fito isan-taona no manambara ny planina lehiben’Andriamanitra hamonjena ny olombelona rehetra ho afaka amin'ny ozon'ny fahafatesana, raha manaiky an-tsitrapo izy. Ny hevi-panahin'ny andro firavoravoana voatendrin’i Jehovah dia tokony ho fantatra sy hiainantsika Kristiana mikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra sy maniry ho tonga zanak'Andriamanitra. Araho ary ny fanazavana...

Miomana ho amin'ny fampakaram-badin'ny Zanak’ondry 02.01.2022

Nahoana isika no tokony hiomana ho amin'ny fampakaram-badin'ny Zanak’ondry? Inona no programan'Andriamanitra raha namorona ny olombelona Izy? Ahoana no hahatonga antsika ho zanak’Andriamanitra?

Inona no antom-pisian'ny Fiangonan'Andriamanitra? 06.12.2021

Tamin’ny andro Pentekosta no niorenan'ny Fiangonana Kristiana voalohany (Asan’ny Apostoly 2). An'arivony maro no natao batisa tamin’ny anaran’i Jesosy tamin'io andro io. Inona no antom-pisian'ny Fiangonan'Andriamanitra? Azonao henoina ato ny momba izany.

Miara-mandeha amin'Andriamanitra ny tena Kristiana 05.12.2021

Genesisy 5: 21-24 Jaona 15: 1-16 Hebreo 11: 8-19 - Tsy isalasalana fa namiratra tamin’ny hatsaram-panahy i Enoka. Mariho izay lazain’ny Baiboly mikasika azy. Ny filazana hoe “nafindran’Andriamanitra Enoka ka tsy hita” dia azo ampitahaina amin’ny namindran’Andriamanitra ny mpaminany Elia, izay voalaza fa nampiakarina tamin’ny tafio-drivotra ho any an-danitra ka tsy hita. Azonao arahina ao amin'ny t...

Fiainana Kristiana - Sabatan'i Jehovah: Famantarana - (Fiz. 2) - 1 Korintiana 5: 1-14 27.11.2021

Jehovah Andriamanitra Ray dia nanao ny andro Sabata ho fitsaharana sy fanaovana fivoriana masina ho Azy. Fotoana hifadiana ny ratsy rehetra koa ary mitaky Fahamarinana sy Fahamasinana (1 Korintiana 5: 1-14). Manana ny hevi-panahiny ireny andro masina ireny. Anio, ny Paska ary ny Mofo Tsy Misy Masirasira no lohahevitra. Ny toriteny dia azonao vakiana ao amin'ny https://fiamikristiana.blogspot.com/p...

Fiainana Kristiana - Sabata andro fahafito sy Sabata fito isan-taona : Famantarana (Fiz. 1) 27.11.2021

Ny fiainana kristiana dia fomba fiaina iray. Ny Sabata no fifamantarana eo amin'Andriamanitra Mpamorona sy ny olombelona. Ezekiela 20:9-20, Lioka 14:1-13, 1 Korintiana 5: 1-14. Azonao vakiana ao amin’ny tranokala ny andininy rehetra: https://fiamikristiana.blogspot.com/p/sabata-andro-fahafito-sy-sabata-fito.html?m=0

Fara-Fivoriana 25.10.2021

Ny Fara-fivoriana dia andro fitsaharana sy firavoravoana farany aorian'ny Fetin’ny Tabernakely. Antsoina koa hoe "andro fahavalo" izy. Inona no hevi-panahin'ny andro firavoravoana Fara-Fivoriana? Nahoana isika no tsy maintsy mitandrina izany? Manambara Inona eo amin'ny Planin’ny Famonjena io fotoana io? Isaia 65, Matio 25, Apokalypsy 20. Fanazavana fanampiny: Manasa anao Hamaky ny Toriteny ao amin...

Famintinana ny andro firavoravoana amin'ny volana fahafito 21.10.2021

Ny Andro Firavoravoana voatendrin'i Jehovah amin’ny volana fahafito dia ny Trompetra, andro Fanavotana, ny Fetin'ny Tabernakely, ary ny Fara-fivoriana. (Levitikosy 23)

Fety fankalazana tontolo tsara kokoa 07.10.2021

Ny Fetin'ny Tabernakely dia fankalazana tontolo tsara kokoa noho izay misy ankehitriny.

Voatendry ho mpanjaka sy mpisorona 07.10.2021

Ny olona masina dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesosy Kristy. Izay maharesy dia voatendrin'Andriamanitra ho mpisorona sy mpanjaka miaraka amin'i Jesosy Kristy ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra.

Ny Andro Fanavotana - Fiz 1 14.09.2021

Ny Andro Fanavotana dia voalaza ao amin'ny Levitikosy 23 sy Levitikosy 16. Fanazavana fanampiny : Https://fiamiray.blogspot.com

Fandroahana an'i Azazela 12.09.2021

Sabata mialoha ny Andro Fanavotana : Ezekiela 28:11-17, Lioka 8:26-36, Apokalypsy 20:1-3.

Ny Mpitaingin-tsoavaly 4 ao amin'ny Apôkalypsy 6 - Fiz. 2 03.09.2021

Fampitahana ilay mitaingina soavaly Fotsy ao amin'ny Apôkalipsy 6 sy ilay ao amin'ny mitaingina Soavaly Fotsy ao amin'ny Apôkalipsy 19. Ny Soavaly Mena, Mainty, Hatsatra

Ny Mpitaingin-tsoavaly 4 ao amin'ny Apôkalypsy toko faha-6 03.09.2021

Ezekiela 14, Matio 24, Apokalypsy 6: 1-6

Fahamarinana momba ny Sabata - Fiz 2 27.08.2021

Fandalinana momba ny atao hoe Sabatan'i Jehovah

Listen to the Fiangonan'Andriamanitra Miray podcast in Replaio

Radio and podcasts in one app - free, with no sign-up. Install today and do not miss the launch

Get it on Google Play

Replaio is not a podcast publisher; show names, artwork and audio belong to their authors and are distributed through public RSS feeds.