Fiami Radio
Fiangonan'Andriamanitra Miray
Ny Fiangonan'Andriamanitra Miray dia mpikambana amin'ny United Church of God, Fikambanana Iraisam-pirenena, Vondrom-paritra Afrika Atsinanana. Mitory ny Filazantsara ary manomana vahoaka ho amin'ny Fanjakan' Andriamanitra. https://fiamiray.blogspot.com/
Author
Fiami Radio
Category
Podcast website
Latest episode
Feb 13, 2023
Where to listen?
Podcasts in the app Replaio Radio Coming soonPodcasts are coming to the app soon. Install now and be the first to see a whole new take on podcasts
Episodes
Fiomananan'ny Fiangonana mialoha ny Faneken'ny Pentekosta 12.05.2022 35:36
Eksodosy 19: 16-25, Lioka 19: 12-19, Jakoba 1: 18-27 - Ny fiomananan'ny Fiangonana mialoha ny Faneken'ny Pentekosta tao Sinay. Ny fanoharana ny amin'ny Farantsa Folo. Ny nahaterahan'ny firenena iray ho an'i Jehovah. Arip nu fahalotoana ary miorena amin'ny teny nambolena sy ny lalan'ny fahafahana. Miorena tsara amin'ny fitiavana madio.
Inona no antony nahatongavan'i Jesosy Kristy teto an-tany? Fiz 1 07.05.2022 14:16
Tonga teto an-tany Jesosy Kristy, Tenin'Andriamanitra. Tonga nofo Izy, ary nanam-pitoviana tamin'ny olombelona, sady naka ny endriky ny mpanompo. Inona marina no antony nahatongavany? FIZ 1
Inona no atao hoe "tena Kristiana"? 07.05.2022 57:07
Genesisy 5:21-24, Matio 7:13-23, 1 Petera 4:1-4. Inona no atao hoe tena Kristiana? I Enoka dia lehilahy iray voalohany niara-nandeha tamin'Andriamanitra. Tsy mbola any an-danitra izy, tahaka an'i Elia koa. Ny toriteny dia azonao vakiana manontolo koa ao amin'ny tranokalan'ny Fiangonan’Andriamanitra Miray: https://fiamiray.blogspot.com
Mampianatra antsika hanao inona ny Pentekosta? 01.05.2022 16:54
"Mizotra ho amin'ny Fanjakana" - Fiomanana ho amin'ny Pentekosta. Mampianatra antsika hanao inona ny Pentekosta?
Iza marina moa i Paoly Apostoly? 01.05.2022 46:51
Paoly dia voalaza fa "fanaka voafidy". Maro ny boky nosoratany, ary saro-pantarina ny heviny, ka matetika no aolan'ny olona kely fahalalana. Mampirisika ny olona handika ny didin'Andriamanitra ve i Paoly? Mamela ny olona hihinana ny henan'ny biby maloto toy ny kisoa ve izy?
Ny fanavahana ny madio sy ny maloto dia Famantarana 29.04.2022 23:10
Misy famantarana nomen'Andriamanitra hamantarany ny olony. Anisan’izany ny fanavahana ny madio sy ny maloto, ankoatry ny famantarana lehibe hafa. Levitikosy 11.
Jehovah no hiady ho antsika 24.04.2022 19:57
Batisa : Famonjena ho antsika mandray tsara ny Teny, fa fandringanana ho an'ireo mpikomy amin'Andriamanitra sy ny Mesiany.
Ny Batisan'ny Rano - Fiz 1 24.04.2022 55:29
Ny fiampitana ny Ranomasina Mena sy ny Safo-dranon'i Noa, endriky ny Batisan'ny Rano.
MTMM Andro faha-4 20.04.2022 28:25
Eksodoay 14:5-14, Hebreo 4:14-16. Ny fanekena ny ran'i Kristy hamonjena antsika, dia tsy mamela antsika hanota intsony. Fampitahana ny fanandevozana sy fanafahan'Andriamanitra ny Zanak'Isiraely tany Egypta, i Lota sy ny ankohonany tao Sodoma, ary ny Kristiana amin'ny fahotana.
15 Abiba: Andro 1 MTMM - Fiz 1 17.04.2022 36:02
Inona no tanjon'ny Mofo Tsy Misy Masirasira? 15 Abiba: Andro firavoravoana MTMM - Fiz 1 - Eksodosy 13 : 1-10, Matio 16: 6-12, 1 Korintiana 5 : 1-13
14 Abiba: Paskan'i Jehovah - Fiz 2: Mofo sy Divay 17.04.2022 15:53
Mofo sy Divay ary ny hafatra avy amin'ny Tenin'Andriamanitra
14 Abiba: Paskan'i Jehovah - Fiz 1: Fanasan-tongotra 17.04.2022 21:52
Fiz 1: Fanasan-tongotra
15 Abiba: Andro 1 MTMM - Fiz 2 17.04.2022 37:38
Eksodosy 13 : 1-10, Matio 16: 6-12, 1 Korintiana 5 : 1-13. Natao ho an'ny olombelona rehetra ny famonjena sy ny andro firavoravoana voatendrin'i Jehovah, planin'ny famonjena. Inona marina no tanjon'Andriamanitra amin'ny fifadiantsika ny masirasira amin'ny herinandron'ny Paska? Inona no tanjon'ny Mofo Tsy Misy Masirasira? 15 Abiba: Andro firavoravoana MTMM - Fiz 2
Fahatakarana ny Paska 17.04.2022 54:10
2022-04-09-Fiz 1 Fahatakarana ny hevipanahin'ny Paska
Ny Taom-baovaon'i Jehovah 03.04.2022 34:57
1 Abiba, voaloham-bolan'i Jehovah. Fizarana 2: Sekoly Sabata. Fomba fitandremana ny Paska vaovao, ny ny fotoana, ary ny Mofo Tsy Misy Masirasira.
Volana Abiba, voaloham-bolan'i Jehovah 03.04.2022 56:05
(2022-Apr-02) Eksodosy 12: 1-17, Jaona 12: 1-16, 1 Kor 5: 6-8 - Taom-baovaon'i Jehovah Andriamanitra. 10 Abiba: Fanokanana ny Zanak'ondrin'ny Paska sy fanokanana an'i Jesosy Kristy ho Mpanjaka. Manatrika fiana Jehovah rehefa manamasina ireo androny masina ny olony.
Miara-mandeha amin_Andriamanitra ny tena Kristiana 31.03.2022 49:30
Abrahama sy Mosesy dia niara-nandeha tamin'Andriamanitra. Inona no tokony hataontsika Kristiana ankehitriny mba hiarahantsika mandeha amin'i Kristy? Sekoly Sabata eto amin'ny Fiangonan’Andriamanitra Miray Miray. 04 Dec 2021
Andriamanitra Mpahary 30.03.2022 24:07
"Andriamanitra Mpahary" - Jehovah Andriamanitra Ray sy ny Teny no nahary ny zavatra rehetra. Ireo anjely maro be dia Niara-nihoby rehefa namorona ny zavatra rehetra Andriamanitra. Notendren'Andriamanitra hanapaka ny tany i Losifera, nefa nanota tamin'Andriamanitra izy, ary nitaona ny anjely namany hikomy tamin'Andriamanitra. Nisy ady tany an-danitra... Ary tonga foana sady tsisy endrika ny tany......
Fanadiovana ny Tempoly 29.03.2022 27:06
Fanomanana ny Paska sy ny Mofo Tsy Misy Masirasira
Miomàna ho amin'ny fampakaram-badin'ny Zanak'ondry 27.03.2022 23:46
Inona no atao hoe mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny lalany? Inona no atao hoe manatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra? Inona no fiomanana tokony hataotsika ho amin'ny fampakaram-badin'ny Zanak'ondry raha isika no fofombadin'i Kristy?
Mizotra mankaiza ny fiafaran'ny fiainantsika? 25.03.2022 44:59
Inona no ambaran'ny Soratra Masina momba ny hetsika any Rosy? Inona no tokony hataontsika?
Ireo Irak'Andriamanitra sy ny Hafatra Nentiny 20.03.2022 32:16
Andriamanitra naniraka an'i Jesosy hitondra hafatra ho an'ny olombelona rehetra. Inona no hafatra nentiny sy anirahany antsika koa? Malakia 3:1-6, Lioka 1:13-17, Asa 10:34-48. Ny toriteny dia azonao vakiana manontolo koa ao amin'ny tranokalan’ny Fiangonan’Andriamanitra Miray, ao amin'ny lohahevitra FIANGONANA - https://fiamiray.blogspot.com
Inona no Filazantsara Marina? Fiz. 2 13.03.2022 45:05
Inona no Filazantsara Marina? Tenin'Andriamanitra : Salamo 2:1-12, Jaona 11:47-57, Galatiana 1:6-12
Ny nakan'ny devoly fanahy an'i Jesosy sy ny Filazantsaran'ny Fanjakan'Andriamanitra 12.03.2022 45:50
Rehefa vita batisa, Jesosy Kristy dia naharesy ny fakampanahy ary nitory ny Filazantsaran'ny Fanjakan'Andriamanitra Izy. Izy Ilay Mesia Andriana nambara ao amin'ny bokin'i Daniela. Ny fametrahan-tanana aorian'ny batisa no fomba handraisana ny Fanahy Masina.
Ny Fiangonana: Reny Ara-panahy 06.03.2022 35:04
Ny Fiangonana no Reny Ara-panahy mitaiza antsika, manorotoro sy manabe antsika, mba hahatonga ny fahateraham-baovao ho zanak'Andriamanitra, mpandova ny teny fikasan'Andriamanitra. Tenin'Andriamanitra: Isaia 2:1-4, Jaona 15:1-10, Galatiana 4:22-28
Similar podcasts
Replaio is not a podcast publisher; show names, artwork and audio belong to their authors and are distributed through public RSS feeds.