Fiami Radio
Fiangonan'Andriamanitra Miray
Ny Fiangonan'Andriamanitra Miray dia mpikambana amin'ny United Church of God, Fikambanana Iraisam-pirenena, Vondrom-paritra Afrika Atsinanana. Mitory ny Filazantsara ary manomana vahoaka ho amin'ny Fanjakan' Andriamanitra. https://fiamiray.blogspot.com/
Author
Fiami Radio
Category
Podcast website
Latest episode
Feb 13, 2023
Where to listen?
Podcasts in the app Replaio Radio Coming soonPodcasts are coming to the app soon. Install now and be the first to see a whole new take on podcasts
Episodes
Inona no mahatonga ny ady? Fiz2 13.09.2022 39:05
Ny Ambasadaoro Kolejy eto amin'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray dia manolotra anao fianarana Baiboly isanandro. Ny toko voalohany amin’ny fianarana dia "Nahoana no ianarana ny Baiboly?". Ny lesona anio dia mbola mitondra ny lohateny hoe "Inona no mahatonga ny ady?"
Inona no mahatonga ny ady? 30.08.2022 33:20
Nahoana no ianarana ny Baiboly? Lesona 1: Inona no mahatonga ny ady? Isaia 59: 1-8, Matio , Jakoba 4: 1-10 Ny antony mahatonga ny ady Mampanantena Andriamanitra fa hitsabaka amin'ny raharahan'ny tontolo mba hisorohana ny fandringanana ny zanak'olombelona ary hitondra antsika ho amin’ny fiadanana manerana ny tontolo. Saingy, raha tiantsika ny fiadanana, dia mila misoroka ny ady ho avy Izy ka hanova...
"Tsy misy vanim-potoana mitovy amin'ny antsika" 22.08.2022 38:41
Nahoana no ianarana ny Baiboly? Tsy misy vanim-potoana mitovy amin'ny antsika. Fizarana faharoa: Sekoly Sabata. Araho tsy tapaka ny fianarana Baiboly atolotry ny Ambasadaoro Kolejy eto amin'ny Fiangonan'Andriamanitra Miray, vondrom-paritra Afrika atsinanana. Azonao arahina ao amin'ny Canvas koa ny fianarana rehetra. Manorata aminay raha maniry hanaraka izany ianao.
Tsy misy vanim-potoana mitovy amin'ny antsika 21.08.2022 38:08
Nahoana no ianarana ny Baiboly? Lesona 1: Tsy misy vanim-potoana mitovy amin'ny antsika. Genesisy 11: 1-10, Marka 13: 19-23, Apokalypsy 9: 1-10 Fa amin'izany andro izany dia hisy fahoriana izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nanaovan'Andriamanitra izao tontolo izao ka mandraka izao ankehitriny izao, sady tsy hisy intsony. (Marka 13:19) Lahatsoratra mirakitra ny toriteny: Ambasadaoro Kolejy ...
Nahoana no Hianarana ny Baiboly? 13.08.2022 39:03
Ny Baiboly dia boky anisan'ny maro voatonta indrindra, nefa miteraka tsy fitovizan-kevitra amin'ny samy mpino Kristiana. Ny Baiboly dia fototry ny fahalalana ary ahitana ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay.
Andro hanokafana ny faminaniana izao 15.07.2022 45:58
Nahoana no Hianarana ny Baiboly? Vanim-potoana hanokafan'Andriamanitra ny faminaniana izao. Daniela 10: 1-10, Matio 24: 17-22, Asan'ny Apostoly 17: 1-12
Nahoana no Hianarana ny Baiboly? 12.07.2022 53:44
Salamo 119: 105-112, Jaona 3: 13-20, 2 Timoty 3: 10-17. Ny Baiboly no hahalalana ny valim-panontaniana manitikitika ny sain'ny olombelona ny amin'ny antony namoronan'Andriamanitra ny olombelona. Misy antony maro mahatonga antsika hoe tokony hianatra mandrakariva ny Baiboly isika.
Fetin’ny Tabernakely Voalohany tao an-tendrombohitra Sinay - Fiz 1 08.07.2022 49:10
Eksodosy 19
Miomàna Hanambady an'i Kristy - Fiz. 2 02.07.2022 44:37
1) Lanitra Vaovao sy Tany Vaovao - 2) Inona ny Testamenta na Fanekena Vaovao?
Miomàna hanambady an'i Kristy - Fiz.1 27.06.2022 43:44
Genesisy 22: 15-19, Lioka 1: 67-80, 2 Petera 3: 13-18. Abrahama dia nahazo sitraka tamin'i Jehovah satria nankato ny tenin'Andriamanitra izy. I Jaona mpanao batisa dia nanomana ny olona mialoha ny nahatongavan'i Jesosy teto an-tany. Ary mialoha ny Fampakaram-badin'ny Zanak'ondry, ny fiangonana koa dia mila miomana. Inona no tokony hatao amin'izany? Fizarana voalohany.
Fampakaram-badin'ny Zanak'ondry - Fiz 2 23.06.2022 39:25
Inona no anton'ny fanambadian'i Kristy sy ny Fiangonan'Andriamanitra? Inona no toetra takiana amin'ilay Fiangonana? Inona no hitranga mialoha io fotoana io?
Fampakaram-badin'ny Zanak'ondry - Fiz.1 22.06.2022 42:07
Ny Fiangonana, rehefa ateraka indray, no vadin'i Kristy. Misy Fanekem-panambadiana ifanaovan'ny Fiangonan’Andriamanitra amin'i Mpampakatra mialoha izany. Inona io fanekena io? Ary inona no zavatra mitranga mialoha ny fampakarana? Ny tenin'Andriamanitra dia Genesisy 1: 24-31, Matio 5: 31-48, Apokalypsy 19: 1-10. Inona no tanjon'ny fanambadian'i Kristy sy ny Fiangonan'Andriamanitra?
Firehetam-po amin'ny Fahamarinana. Inona no tanjon'ny batisa? Inona ny Fiangonana mandroso? 20.06.2022 19:30
Firehetam-po amin'ny Fahamarinana. Anio, andeha hojerena manokana ny momba ny Batisan'ny Rano sy ny atao hoe fiangonana mandroso. Misy maro ny karazana batisa, ohatra amin'izany ny batisa asitrika anaty rano, ny batisan-jaza, ny batisa fanafahana, fanasitranana, ny batisan'ny fibebahana, ary ny batisa ankamehana. Fa inona marina moa no tanjon'ny batisa araka ny tenin'ny Soratra Masina? Samy manana...
Firehetam-po amin'ny Fahamarinana ho amin'ny Pentekosta 19.06.2022 37:45
Ireo Zanak'Isiraely tany Sinay dia nanana firehetam-po amin'ny fahamarinana rehefa nahita ireo asa lehiben’Andriamanitra. Jesosy Kristy koa dia nirehitra tamin'ny fitiavana an'Andriamanitra ka tsy namela ny tranony hatao fivarotana. Isika Fiangonan’Andriamanitra koa dia tokony hitoetra amin'izany. Ahoana? Eksodosy 19: 1-8, 1 Korintiana 14: 12-17, Jaona 2: 13-17
Fampaherezana 14.06.2022 9:33
Isika no Isiraely ara-panahy ary araka izany, dia mandova ny teny fikasan'Andriamanitra nomeny ny olony isika, raha maharitra amin'ny Finoan'i Kristy sy mitandrina ny didin'Andriamanitra.
Batisa amin'ny Rano - Fiz.2 14.06.2022 34:55
Ny Batisan'ny Rano, Batisan'ny Fibebahana. Inona no tsara ho fantatra momba ny Batisa? Inona ilay hoe miara-maty, miara-milevina, ary miara-mitsangana amin'i Kristy?
Pentekosta: Fetin’ny voaloham-bokatra 12.06.2022 47:39
Ny Pentekosta dia fetin'ny voaloham-bokatra ary fotoana nanorenan'Andriamanitra ny ankohonany. Levitikosy 23: 15-17, Lioka 24: 49-53, Asa 2: 1-5
Faneken'Andriamanitra amin'ny Fiangonana ny Pentekosta 06.06.2022 51:29
Andriamanitra dia nanao fanekena tamin'ny Zanak'Isiraely tamin'ny nanomezany ny Didy Folo tao an-tendrombohitra Sinay. Manavao ny fanekeny amin'ny olona Andriamanitra tamin'ny nanomezany ny Fanahy Masina. Eksodosy 20:1-17, Lioka 19:11-17, Asan'ny Apostoly 2:16-21
Pentekosta : Fanamafisana ny Fanekena eo amin'Andriamanitra sy ny olony 31.05.2022 14:52
Inona no andro Pentekosta voalohany? Ahoana no fomba fanisana io andro io? Nahoana no manan-danja manokana ny Pentekosta? Fizarana voalohany amin'ny Toriteny. Eksodosy 20:1-17, Lioka 19:11-17, Asa 2:16-21. Misy fitahiana manokana ny fitandremana ny andro firavoravoana voatendrin'i Jehovah.
Rahoviana no ho tonga ny Fanjakan'Andriamanitra? 29.05.2022 29:55
Ny Filazantsaran'i Jesosy Kristy dia miompana amin'ny vaovao mahafaly momba ny Fanjakan'Andriamanitra. Oviana no ho tonga ny Fanjakan'Andriamanitra? Aiza? Iza no hanjaka amin'izany?
"Ny Fanekena amin'Andriamanitra dia toy ny Fanekem-panambadiana" 23.05.2022 1:01:27
Fiomanana amin'ny Pentekosta. Sabata faha-5 mialoha ny Pentekosta. "Ny Fanekena amin'Andriamanitra dia toy ny Fanekem-panambadiana". Jeremia 32: 31-40- Matio 5:24-30 - Hebreo 8:7-13.
Mofo Misy Masirasira amin'ny Pentekosta - Firosoana ho amin'ny Fanjakan'Andriamanitra (Fiz. 2) 21.05.2022 30:30
Fivetenana amin'ny Mofo Misy Masirasira : Fiomanana ho amin'ny Pentekosta ary Firosoana ho amin'ny Fanjakan'Andriamanitra. Levitikosy 23:10-17 - Lioka 24: 44-53 - Asan'ny Apostoly 2: 1-11
Inona ny fanolorantena? Nahoana no ilaina izany? 15.05.2022 13:57
Inona ny fanolorantena? Nahoana no ilaina ny manolo-tena amin'ny fanompoana an'Andriamanitra?
Nahoana ny Sabata no tokony ho tandremana? 15.05.2022 9:03
Jehovah no nandidy ny Sabata ho andro fitsaharana sy hanaovana fivoriana masina hanomezam-boninahitra Azy. Nahoana no tokony ho tandremana ny Sabata? Inona no tokony hatao amin'ny andro Sabata?
"Afaka Mandresy Ianao" 14.05.2022 52:24
Genesisy 15: 1-7, Matio 6: 5-13, Asan'ny Apostoly 2: 36-47 - Ahoana no hahafahantsika mitombo amin'ny fahamarinana? Ny finoan'i Kristy no ilaina mitoetra ao anatintsika mba hitomboana amin'ny toetran'Andriamanitra. Mila asa nefa izany. Nahoana no mila asa ny Finoan'i Kristy ao anatintsika? Ahoana no handresena ny filan'ny nodo sy ny ota? Ny lahatsoratra mirakitra ny toriteny dia azonao vakiana man...
Similar podcasts
Replaio is not a podcast publisher; show names, artwork and audio belong to their authors and are distributed through public RSS feeds.