Rasoa
AriraVavy
Tonga soa eto amin'ny AriraVavy :podcast malagasy hanomezana sehatra ny tontolo manodidina ny maha vehivavy sy maha reny . Ny vehivavy tsirairay dia manana tantara azo zaraina. Ndao ary hiaraka amiko, Rasoa, amin'ity sehatra vaovao ity . Mihainoa finaritra o ! Welcome to AriraVavy: a space where we celebrate the stories of women, weaving together the threads of womanhood, motherhood, culture, and identity. Every woman has a story, and every mother carries a legacy. Join me, Rasoa, as we embark on today’s journey of discovery, connection, and empowerment.
Where to listen?
Podcasts in the app Replaio Radio Coming soonPodcasts are coming to the app soon. Install now and be the first to see a whole new take on podcasts
Episodes
Saison 2 Episode #2 : Misy fanantenana ny fanasitranana sy ny fitiavana …. 04.11.2025 34:37
Ity fizarana faharoa ity dia miditra lalina amin’ny asa mafy takiana rehefa tsy nanana fototra fitiavana marina ny olona iray nanomboka tamin’ny fahazazana . Tena ilaina ianarana ve ny mitia sa mandeha ho azy izany ? Ny valiny dia hoe safidy izany. Ny lalana mankany amin’ny fanasitranana dia asa mafy sy dingana miandalana, izay mitaky ny fianarana an-tsitrapo ny fatorana azo antoka , ny fanekena...
Saison 2 : "Humaine" - Intro 28.10.2025 5:41
Introduction AriraVavy Saison 2 "Humaine"
Saison 2 : Episode # 1 : "Tena Tiana: Hita sy Fantatra, nefa Nofidiana Foana 28.10.2025 16:02
Aona marina moa izany hoe tena tiana izany? , azo atao ve ny mampitaha azy amin'ny fitiavana zanaka izay tsy misy fepetra . Ny tena fitiavana dia midika hoe " hita " ilay tena maha anao anao—ilay ianao manana fahalemena, mikorontana, ary manana toetra mifanipaka, fa tsy ilay ianao miezaka mihatsara ivelany. Mahatsapa ho tiana ianao rehefa misy olona manaiky ny lesoka rehetra ao amina...
Episode #19 : Aona no hatao hitiavana ireny vehivavy mahaleo-tena be loatra ireny ? 02.09.2025 31:07
Ny fitiavana vehivavy tena mahaleo tena dia tsy moramora — matanjaka izy, mahavita tena, ary matetika misalasala miankin-doha amin'olona. Fa ao ambadiky ny fahaleovan-tenany dia misy tantara, ary ny fianarana mitia azy dia mitaky faharetana, fanajana, ary fikarakarana amim-pahatsorana. Ao anatin'ity fizarana vaovao ity, dia hodinihintsika ny tena dikan'ny hoe manohana nefa tsy mifehy,...
Episode # 18 :Ny kolontsainan'ny fahanginana momba ny fadimbolana 26.08.2025 37:16
Nahoana ny fadimbolana, izay tranga voajanahary sy iainan'ny vehivavy eran-tany, no mbola feno fahanginana, henatra ary fanilikilihana hatramin'izao? Amin'ity fizarana ity dia horesahana ny fomba fijery momba ny fadimbolana nanomboka tamin'ny vanim-potoana taloha ela be ka hatramin'ny ankehitriny. Hanehoantsika ny fomba nananganana ny fomba fijery sy ny fihetsika ataontsika, iz...
Episode # 17 : Firy taona no tokony hanambady ? 19.08.2025 34:37
Misy tokoa ve izany hoe taona tokony hanambadiana izany? Amin'ity episode ity, dia hifantoka amin'ny lafiny siansa sy ny zava-misy ary ny tantara isika, momba ny iray amin'ireo fanapahan-kevitra goavana indrindra eo amin'ny fiainana dia ny fanambadiana. Hojerena ao anatin'izany ny fanadihadiana momba ny fotoana tsara indrindra tokony hanambadiana, ny fivoaran'ny saina, ny f...
Episode # 16 : Fizarana faharoa - Ankoatry ny vola : inona no hamaritana ny fahombiazan'ny zanantsika ? 12.08.2025 33:10
Misaotra anareo niverina teto amin'ny lohahevitra mikasika ny fomba entina andrefesana ny fahombiazan’ny zanantsika ankoatry ny vola, izay andinihantsika ny tena dikan'ny hoe mahomby amin'ny fiainana ny zanatsika. Tamin'ny farany, dia niresaka momba ny hoe tsy ampy ho famantarana ny fahombiazana fotsiny ny vola ary nahoana no ilaina ny mitaiza zanaka izay miroborobo amin'ny fom...
Episode # 15 : Izaho ve "feministe" ? 05.08.2025 42:48
Amin'ity fizarana manokana ity dia horesahantsika ny antony mahatonga ny vehivavy maro—na dia ireo mino ny fitovian-jon'ny lahy sy ny vavy aza—no misalasala ny miantso ny tenany ho feministe. Hiresaka ny antony mahatonga izay fisalasalana manodidina ny feminisma izay isika, manomboka amin'ny tahotra ny ho very ny maha-vehivavy ka hatramin'ny harerahana amin'ny fanaovana "i...
S1 : Ep #14 : Ankoatry ny vola : inona no hamaritana ny fahombiazan'ny zanantsika ?/Au-delà de l'argent : qu'est-ce qui définit la réussite de nos enfants ? 29.07.2025 29:47
MG: Amin'ity fizarana voalohany amin'ny lohahevitra vaovao mitondra ny lohateny hoe : “Ankoatry ny vola, inona no hamaritana ny fahombiazan’ny zanantsika?” ity dia horesahana ny famaritan'ny fiarahamonina ny fahombiazana, izay matetika mifototra amin'ny harena ara-materialy sy ny asa. Nahoana isika no tokony hijery ankoatr'ireo lafin-javatra ireo rehefa mamaritra raha tena &qu...
Episode # 13 : Part 3: Fehiny - Vola, fitiavana, ary fahefana 22.07.2025 18:05
(Fizarana farany) Ao amin’ity episode vaovao eto amin’ny Ariravavy ity dia hamarana ny lohahevitre "Vola, Vehivavy ary Fahefana" isika ka hiresaka momba ny fomba ahafahantsika manome fitaovana ho an’ny taranaka mandimby indrindra ny zanatsika vavy mba hananganana harena — tsy harena ara-bola fotsiny, fa harena amin’ny safidy, amin’ny fahefana. Resahina eto ny antony mahatonga ny vehivavy...
Episode # 13 : Part 2: Fehiny - Vola, fitiavana, ary fahefana 15.07.2025 23:34
(Tohiny) Ao amin’ity episode vaovao eto amin’ny Ariravavy ity dia hamarana ny lohahevitre "Vola, Vehivavy ary Fahefana" isika ka hiresaka momba ny fomba ahafahantsika manome fitaovana ho an’ny taranaka mandimby indrindra ny zanatsika vavy mba hananganana harena — tsy harena ara-bola fotsiny, fa harena amin’ny safidy, amin’ny fahefana. Resahina eto ny antony mahatonga ny vehivavy mbola vi...
Episode # 13 : Part 1: Fehiny - Vola, fitiavana, ary fahefana 08.07.2025 20:26
Ao amin’ity episode vaovao eto amin’ny Ariravavy ity dia hamarana ny lohahevitre "Vola, Vehivavy ary Fahefana" isika ka hiresaka momba ny fomba ahafahantsika manome fitaovana ho an’ny taranaka mandimby indrindra ny zanatsika vavy mba hananganana harena — tsy harena ara-bola fotsiny, fa harena amin’ny safidy, amin’ny fahefana. Resahina eto ny antony mahatonga ny vehivavy mbola vitsy no ma...
Episode # 12 : Ndao hifampizara ny manta sy ny masaka 01.07.2025 23:07
Amin'ity episode fa 12 ity dia hiresaka zavatra maro aho toy : - Ny fanambadian'ilay olona anisan'ny manankarena indrindra eto an-tany - Ny faha 65 ny nazahoan'ny Madagasikara ny fahaleovantena - Ny fitaizana sy ny fialan-tsasatra - sns.... Fizarana ny andavan'androm-piainako no tena resahako amin'ity episode ity ka mazotoa mihaino ary o!
S1 : Episode # 11 :Ny fifandraisan’ny vola sy ny fitiavana./ La relation entre l'argent et l'amour 24.06.2025 41:36
MG: Efa nanontany tena ve ianao hoe tena tia ahy tokoa ve ny olon-tiako na ny vadiko sa miaraka amiko fotsiny noho ny fananako enti-manana na vola ? Na koa mifamadika amin’izay? Amin’ity fizarana mbola ao anatin’ny lohahehitra mikasika ny “Vehivavy, Vola, sy Fahefana” ity dia hiresaka indray isika mikasika ny fifandraisan’ny vola sy ny fiarahana na ny fitiavana. Afaka miaraka ve ny “tena fitiavan...
Episode # 10 ( Part 1) :Fitiavana sy Vola : Fa maninona no mbola ilaina ny fahaleovan-tena ara-bola rehefa mizara vola amin’ny olon-tiana? 17.06.2025 25:34
Ao anatin’ity episode ity dia handinika lalindalina kokoa isika momba ny dikan’ny fahafahana na " agency" ho an’ny vehivavy: Inona no dikan’izany rehefa mitambatra amin’ny fitiavana sy vola ? Raha milaza isika hoe: “izay ananako, ananantsika” na ko hoe " ny volako dia volanao ihany"… — mbola ilaina ve ny fahaleovan-tena ara-bola ? Mbola afaka misafidy ve ianao, raha tsy mitanta...
Episode # 10 (Part 2) :Fitiavana sy Vola : Fa maninona no mbola ilaina ny fahaleovan-tena ara-bola rehefa mizara vola amin’ny olon-tiana? 17.06.2025 20:12
Ao anatin’ity episode ity dia handinika lalindalina kokoa isika momba ny dikan’ny fahafahana na " agency" ho an’ny vehivavy:Inona no dikan’izany rehefa mitambatra amin’ny fitiavana sy vola ? Raha milaza isika hoe: “izay ananako, ananantsika” na ko hoe " ny volako dia volanao ihany"…— mbola ilaina ve ny fahaleovan-tena ara-bola ?Mbola afaka misafidy ve ianao, raha tsy mitantana...
Episode #9 :Ny maha zava-dehibe ny fizakan-tena ara-bola ho an’ny vehivavy 10.06.2025 21:42
Ao amin’ity fizarana faha 9 ity dia hiresaka momba ny maha zava-dehibe ny fizakan-tena ara-bola ny vehivavy isika. “Ny hery lehibe indrindra ho an’ny vehivavy iray dia ny fahaleovantena ara-bola, mba hahatonga ny fitiavana ho safidy fa tsy ho paik’ady ho amin’ny fahavelomana.” Inona no dikan’izany ho an’ny vehivavy ? Ahoana no anovàn’ny vola ny fomba ijerentsika ny fitiavana, ny fiarahana, ary ny...
Episode # 8 : Hande hiala sasatra hiaraka amin'ny ankizy : ahoana no hatao ? 03.06.2025 38:11
Amin’ity fizarana fahavalo eto amin’ny Ariravavy ity isika dia hiresaka momba ny fitsangatsanganana miaraka amin’ny ankizy sy zazakely . Fomba hanomanana entana arakaraka ny taonan’ny zaza Zavatra tena ilaina entina amin’ny fiaramanidina sy fiara Fomba hisafidianana toerana fialan-tsasatra ho an’ny fianakaviana ,..... Na somary manahirana aza ny mandeha miaraka amin’ny ankizy, dia fotoana feno fit...
Special Episode : Fetin'ny reny 25.05.2025 12:24
Fehezam-bonikazo ho an'ireo reny rehetra !
Episode # 7 : Ny fanalan-jaza - ndao resahana - 20.05.2025 1:03:19
Ao anatin’ity episode faha 7 ity dia hiresaka manokana isika ny vesatra manodidina ny fanalan-jaza, ny vohoka tsy iriana , ary ny fahabevokana ivelan’ny fanambadiana. Inona ny zava-misy mangiana hiainan’ny vehivavy Malagasy : ny fitsarana, ny fanavakavanahana, ny tsy fahampian’ny fiarovana, ny tsy fananana safidy,sns,.... Betsaka ny fanontaniana mipetraka hoe nahoana no rehefa mitranga ny fahabev...
Episide # 6 : Fikarakarana tena ho an'ny vehivavy manodidina ny 30 taona 13.05.2025 48:12
Amin’ity episode faha 6 ity dia hiresaka indray isika momba ny fikarakana tena ho antsika 30 taona sy ny manodidina. Horesahana amin’izany ny fifandraisan’ny asa sy ny fahasalamana, eo ihany koa ny fahasalamana ara-pananahana, ny fanambadiana , ny fitiavana ary ny fiarahana, ny paika’ady hampifanarahana sy handanjalajana ny asa sy ny fiainana ary ny fijerevana izay fomba fikarakarana tena mety am...
Episode # 5 : Ireo fahatsapana mangina tsy dia resahina ampahibemaso 29.04.2025 45:54
Amin'ity herinandro ity dia hanao tora-po kely aho ao anatin’ity episode faha 5 ity. Ho antsika vehivavy izay tia ny fiainany sy feno fankasitrahana nefa mbola maniry bebe kokoa. Ho antsika indraindray izay mahatsapa ho diso noho ny faniriana bebe kokoa, na koa mahatsapa ho irery na dia voahodidin'olona aza. Tsy irery ianao. Ndao hiresaka momba ireo ady sy fahatsapana mangina tsy hitan&...
Episode # 4 : Fikarakarana tena ho an'ny vehivavy mifana 22.04.2025 42:59
Amin'ity episode faha 4 ity, hojerentsika akaiky ny fikarakarana tena ho an'ireo reny vao teraka. Hiditra amin'ny fiainana maha-reny vaovao isika, hatramin'ny famerenana ny famaritana ny fikarakarana tena mandritra ny hoe mifana, ka hatramin'ny fomba ahafahana mikolokolo ny maha-izy anao ivelan'ny maha-reny. Hiresaka ihany koa isika mikasika ny fikarakarana vatana, ary ny fandaminana sy ny fitsinj...
Episode 3 - Part 2 : Fikarakarana tena ho an'ny vehivavy mitondra vohoka 15.04.2025 59:31
Ity fizarana fahatelo tapany faharoa amin’ny AriraVavy ity dia miresaka hatrany momba ny fomba fikarakarana tena mandritra ny fitondrana vohoka. Eto dia hiresaka momba ny fanomanana ny fanambadiana , raha toa ka mikasa ny hanampy zanaka, ny fanomanana ara-tsaina momba ny fiovan’ny vatana, ny fomba handrindrana sy ny fitantanana ny toro-hevitra maro avy amin’ny havana aman-tsakaiza, ny fanomanana...
Episode # 3 - Part 1 : Fikarakarana tena mandritra ny fitondrana vohoka 08.04.2025 45:53
Ity fizarana fahatelo tapany voalohany amin’ny AriraVavy ity dia miresaka momba ny fomba fikarakarana tena mandritra ny fitondrana vohoka. Ahitana torohevitra azo ampiharina amin’ny sakafo sy ny fanatanjahan-tena ary paik’ady entina miatrika ireo fiovana amin’ny maha anao anao. Mihainoa finaritra ary o!
Replaio is not a podcast publisher; show names, artwork and audio belong to their authors and are distributed through public RSS feeds.