Soa i Madagasikara
Akon'i Gasikara
Podcasts Echos de Madagascar. Paroles des acteurs de la cité et témoignage de la population sur leur vie quotidienne. Akon'i Madagasikara. Tenin'ireo mpisehatra ao amin'ny tanàna sy fijoroana ho vavolomben'ny mponina momban'ny andavanandrom-piainany.
Author
Soa i Madagasikara
Category
Podcast website
Latest episode
Apr 26, 2026
Where to listen?
Podcasts in the app Replaio Radio Coming soonPodcasts are coming to the app soon. Install now and be the first to see a whole new take on podcasts
Episodes
Didier Ratsiraka : Fampihavanam-pirenena sy fanorenana ny ho avy 26.04.2026 3:04
Ao anatin’ity raki-peo ity, Didier Ratsiraka, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara teo aloha, dia mizara fomba fijery lalina momba ny hoavin’ny firenena. Miverina mijery ny zava-bita nandritra ny fitondrany izy, indrindra ireo tetikasa fototra izay nametraka ny lalana ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, taorian’ny vanim-potoana post-colonialy, taorian’ny fitondran’i Philibert Tsiranana. Nam...
Sefo Fokontany : tokony hofidiana sa hotendrena ? Hevitry ny Depiote Antoine Rajerison 07.04.2026 1:36
Ao anatin’ny adihevitra momba ny fanavaozana eto Madagasikara, miverina indray ny resaka momba ny toeran’ny Sefo Fokontany. Amin’ity fizarana ity, Antoine Rajerison, depiote an'i Madagasikara, dia mampitandrina ny amin’ny mety hiverenan’ny hadisoana taloha raha toa ka haverina ny fanendrena Sefo Fokontany avy eny ambony. Ny Sefo Fokontany dia fototry ny demokrasia eny ifotony eto Madagasikara, sat...
Michaël Randrianirina : Antso ho an’ny tanora – Fahatsiarovana 29 Martsa 1947 29.03.2026 3:17
Tamin’ny fankalazana ny 29 Martsa 1947 tao Moramanga, Michaël Randrianirina, filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, dia nandefa hafatra mahery vaika ho an’ny tanora malagasy. Miantso ny tanora izy handray andraikitra amin’ny fananganana ny hoavin’ny firenena, ary tsy hanaiky ho voafitaka na ho voazarazara ara-politika, na voasariky ny be resaka efa misotro ronono. Ao anatin’ny lahate...
Tanora malagasy sy politika : antso sy hafatra avy amin’i Hajo Andrianainarivelo 21.03.2026 1:01
Amin’ityfandaharana ity, Soa i Madagasikara dia mitondra ampahan’ny kabarin’i Hajo Andrianainarivelo, izay miresaka mivantana amin’ny tanora malagasy. Hafatra mazava no apetrany : ny tanora no ho avin’i Madagasikara, mila miomana sy miofana izy ireo handray andraikitra, ary tsy tokony ho voafitaky ny fizarazarana, na ara-pivavahana, na ara-poko, na ara-politika Tsiahiviny ihany koa ny hetsika nata...
Hetsika fambolen-kazo sy politika – inona marina no tanjon’ny Malagasy Miara Miainga ? 21.03.2026 1:21
Amin’ity fandaharana ity, Soa i Madagasikara dia mijery akaiky ny hetsika fambolen-kazo nataon’ny antoko Malagasy Miara Miainga (MMM), notarihin’i Andriamatoa Hajo Andrianainarivelo, >Filoha nasionaly ny Antoko. Fa ankoatra ny lafiny tontolo iainana, misy hafatra politika nozarainy tamin'nizany : ny tena zava-nitranga, ny hafatra sy kabary natao ny tanjona mety ho kendrena, ary ny toerana misy ny...
Fitsidihana Ofisialy any Rosia : Fanavaozana sy Fiandohana Vaovao 19.02.2026 1:27
Nanao fitsidihana ofisialy tany Rosia ny Filohan’ny Repoblika Michaël Randrianirina, tao anatin’ny fanamafisana sy fanavaozana ny fifandraisana diplomaty efa naharitra 55 taona teo amin’i Madagasikara sy Rosia. Tamin’ny lahateniny voalohany dia nanambara izy fa fotoana hanombohana fiandohana vaovao izao. Tsy fanohizana fotsiny ny fifandraisana taloha, fa fanamafisana fiaraha-miasa mifototra amin’n...
Didier Ratsiraka sy ny Vinan’ny Angovo : Bemolanga sy Tsimiroro, Fahafahana Very sa Fotoana Mbola Azo Raisina ? 19.02.2026 1:44
Tamin’izany fotoana izany dia efa nisy fandinihana lalina momba ny gisement solika mavesatra ao Bemolanga sy Tsimiroro. Harena voajanahary goavana izay heverina fa afaka mamaly ampy ny filàn’ny firenena amin’ny resaka angovo. Ny vinavina dia ny hananganana toby famokarana herinaratra lehibe manakaiky ireo toerana misy ilay solika, ary avy eo hampifandray izany amin’ireo tanàna lehibe manerana ny n...
31 Desambra 2025 - Ny Lalana Efa Natoron’ny Tanora 31.12.2025 2:09
Ao anatin’ity podcast ity dia henontsika ny ampahan’ny lahatenin’ny Filoha Michaël Randrianirina tamin’ny 31 Desambra 2025. Ao anatin’izany kabary izany dia nanamafy izy fa “efa voatrasy ny lalana”. Lalana notarihin’ny tolona sy ny fahasahian’ny tanora izay nijoro sy naneho ny faniriany ho amin’ny fanovana. Araka ny nambarany, ny tanjona dia ny hananganana Repoblika faha-5, rafitra vaovao izay hev...
Kabary nataon’i Michaël Randrianirina – Toromarika ho an’ny governemanta vaovao 28.10.2025 1:40
Tamin’ny 29 oktobra 2025, nandritra ny fananganana ny governemanta voalohany, Michaël Randrianirina dia nanao kabary mazava sy hentitra ho an’ireo minisitra vaovao. Nohamafisiny fa tsy tompon’andraikitra amin’ny tenany ireo mpikambana ao amin’ny governemanta, fa mpanompon’ny vahoaka. Ny vahoaka no “mpampiasa” azy ireo, ka tokony hiasa ho amin’ny tombontsoan’ny firenena izy rehetra. Nampitandrina i...
Mikolo : Feon’ny GenZ Tsy Natahotra 05.10.2025 1:36
Ao anatin’ity fizarana ity dia hifantoka amin’i Mikolo, mpianatra iray izay lasa endriky ny GenZ nandritra ny hetsika nataon’ny tanora teto Madagasikara. Na teo aza ny fisian’ny hery mitam-piadiana sy ny famoretana mafy, dia nijoro izy, tsy tamin’ny fitaovam-piadiana, fa tamin’ny teny. Teny tsotra, mazava, tsy miolakolaka. Teny naneho fahasahiana sy fahatsapana fa ampy izay ny fahanginana. Nandrit...
Antson’ny Ray aman-dReny avy any Sambava ho an’ny Tanora : Aza Manaiky ny Tsy Rariny 05.10.2025 1:45
Ao anatin’ity fizarana ity dia heno ny antso mafy nataon’ny Ray aman-dReny iray avy any Sambava nandritra ny hetsika nataon’ny GenZ eto Madagasikara. Tsy nanafina hevitra izy, ary tsy nihodinkodina tamin’ny teniny. Manoloana ny famoretana sy ny herisetra nitranga, ary indrindra ny fahaverezan’aina nahazo tanora mpianatra, dia niantso mivantana ireo zanaka sy tanora rehetra ao amin’ny faritra SAVA...
GenZ Renim-pianakaviana manohana ny zanany 05.10.2025 3:28
Ao anatin’ity fizarana ity dia mitantara renim-pianakaviana iray izay niara-nandeha tamin’ny zanany lahy nandritra ny hetsika nataon’ny GenZ eto Madagasikara. Tsy fijery ivelany fotsiny no nataony, fa tena fanapahan-kevitra lalina. Hoy izy, tsy afaka hijanona ao an-trano intsony raha mahita ny herim-po sy ny fahavononan’ny zanany hiady ho an’ny hoaviny. Fantany tsara fa ity taranaka ity no tena ni...
Marina daholo ny lazainao Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY 24.09.2025 1:39
Ao anatin’ity fizarana ity dia averina jerena ny lahateny nataon’i Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY fony izy mbola tao amin’ny fanoherana. Tamin’izany fotoana izany dia mazava sy hentitra ny teniny, niaro ny zon’ny olom-pirenena haneho hevitra sy haneho tsy fahafaham-po amin’ny alalan’ny hetsika sy fanehoan-kevitra an-dalambe. Nambarany fa zo fototra ao anatin’ny demokrasia ny fanehoan-kevitra sy...
Profesora James RATSIMA manamafy ny Fitiavan-tanindrazana 20.09.2025 0:54
Ao anatin’ity fizarana ity dia manazava mazava ny Profesora James Ratsima fa tsy tokony ho teny mamy re amin’ny kabary na lahateny ihany ny fitiavan-tanindrazana. Tsy ampy ny miteny hoe “tiako i Madagasikara” raha tsy hita amin’ny fihetsika sy ny safidy andavanandro izany. Resahiny fa ny tena fitiavan-tanindrazana dia hita amin’ny fomba itondrantsika ny firenena, amin’ny fanajana lalàna, amin’ny f...
Profesora James RATSIMA mametraka fanontaniana 20.09.2025 1:17
Fanontaniana mila valiny avy amin'ny fitondrana tarihin'ny Filoha Andry Rajoeliana. Resaka hala-bato amin'ny fifidianana, tsindry hazolena, fandrahonana ny mpiara-monina, ary mangony manokana ny fanodikodinana ny harem-bahoaka.
Mafy ny fiainana ao Mandritsara 02.06.2024 2:37
Efa ny Malagasy manerana ny Nosy no mahatsapa fa mafy ny fiainana andavan'andro. Mpitondra Bajaja sy mpandinika ny raharaham-pirenena no milaza ny sationan'ny fahorian'ny vahoaka ao Mandritsara, faritri'i Sofia, izay mahatsapa fa adinon'ny mpitondra. Na izany aza dia miandrandra ny firenenan tan-dàlana ihany ny vahoaka na dia maro aza ireo hetsika maro ataon'ny mpitondra tsy mifanaraka @ izany.
Ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety 04.05.2024 3:16
Aiza ho aiza ny fahafahana sy ny fahalalahana misy ho an'ireo mpanao gazety rehefa hamoaka ny vaovao marina eto amintsika. Ny famakafakan'i Hervé RAKOTOZANANY, mpanao gazety sy mpampianatra.
29 Marsa 1947 29.03.2024 5:47
Hatramin'ny fahafantaran'ny Malagasy fa mizaka zo-pirenena frantsay ny Filoha Andry Rajoelina, dia maro ny feo manakiana fa tsy mendrika ny hanamarika ny tsingeri-taona fahatsiarovana ny tolona nataon'ny Malagasy nitaky fahaleovan-tena ny Vazaha (Loharano : KoloTv).
Herisetran'ny mpitandro filaminana 21.02.2024 4:03
Herisetran'ny mpitandro filaminana sy fanitsakitsahana ny zon'olombelona. Dinika miaraka @ i Andrianjakamahery Hervé, filohan'ny fikambanan'ny mpianatra Oniversite, sy @ i Ramanamiseta Johary Carol, Mpandrindra nasionaly ONDH (Loharano : KoloTv)
Miakatra ny rano eny ambany tanàna 26.01.2024 1:48
Tsy misy fihatsarana ny fiainan'ny mponina eny ambany tanàna rehefa fahavaratra. Miakatra ny rano, mitondra haretina isan-karazany. Hatreto aloha dia tsy mbola ahitana rafi-drasa isorohana izany. Mankony ihany koa ny fitohizan'ny fanotofana tany ataon'ny etsy ambony tanàna (Loharano : KoloTv)
Tsy fahandriampahalemana vokatry ny jiro tapaka 18.01.2024 2:28
Tsy milamina ny eny Ankazomanga noho ny fahatapahan'ny jiro matetika. Miaina lavitry ny fahadriampahalemana ny mponina. (Loharano : KoloTv)
Tsy vahaolana ny Jiro Kapoaka 23.12.2023 1:15
Naresaka nandritry ny propagandy 2023 ny fizarana jiro eraky ny tanàna. Tsy vahaolana hialana @delestazy io hoy ny mpiara-monina. Nahazo anarana malaza ho Jiro Kapoaka. (Loharano : KoloTv)
Ny Malagasy sy ny kabary Rajoelina 18.07.2023 2:48
Hevitry ny Malagasy mikasika ny kabary nataon'i Andry Rajoelina. An'isan'izany ny fizakany zo-pirenena frantsay. Ahoana ny fahitan'ny eny an-dalambe ny kabary fanadiovan-tena nataony. (Loharano : KoloTv)
Profesora James Ratsima mametraka faontaniana 30.06.2022 1:17
Amin’izao vanim-potoana manahirana ny firenena izao dia mametraka fanontaniana vitsivitsy ny Profesora James Ratsima, izay miandry valiny avy amin’ny fitondrana. Mikasika ny fanomanana ny fifidianana eto Madagasikara, miavaka ireo fanomezam-boninahitra fotsiny tsy misy atiny. Manao izany hahazoana seza fotsiny ireo mpanao politika, dia manadino ny vahoaka indray rehefa tafapetraka eo amin’ny seza.
Profesora Ranjeva sy ny fampianarana 23.09.2021 1:49
Manamariva ny Profesora Raymond Ranjeva fa zavadehibe ny fampianarana ny Malagasy. Ilaina io iatrehana ny sy hanatsarana ny hoavin'i Madagasikara (Loharano : Midi Madagasikara)
Replaio is not a podcast publisher; show names, artwork and audio belong to their authors and are distributed through public RSS feeds.