Payton Hansen, Austin Bergera
Vazaha Miteny Gasy
Tonga soa aty amin'ny podcast anay m'tsam Vazaha Miteny Gasy! Tafiaraka indray izao izahay roa lahy dia raikitra indray ny revy. Handray vahiny isan-karazany izahay m'tsam dia araho tsara ny fandaharana! Milay ianareo e!
Author
Payton Hansen, Austin Bergera
Category
Podcast website
Latest episode
May 10, 2024
Where to listen?
Podcasts in the app Replaio Radio Coming soonPodcasts are coming to the app soon. Install now and be the first to see a whole new take on podcasts
Episodes
Hasina sy Tiana - Ady Mofo 10.05.2024 32:44
Podcast Anay Mitsam - Episode 30 Tandremo sao noana ianareo mihaino an'ity androany... Mijery an'ireo karazana mofo izay misy any Madagasikara izahay ary atao apetaka amin'ny lisitra arak'izay hitiavanay azy. Tafiditra ve ny tena tianao? SUBSCRIBE ➡️ https://www.youtube.com/@VazahaMitenyGasy Izahay sy i Tiana no miara-manao hetsika: Ny Podcast Anay Mitsam! Misaotra anareo rehetra m...
Hasina sy Tiana - Misaotra Manohana 😎 15.04.2024 59:50
Podcast Anay Mitsam - Episode 29 Resadresaka ny androany an! Hasina sy Tiana no miara-mamaky commentaires misimisy any amin'ilay pejy Vazaha Miteny Gasy. Misaotra anareo rehetra izany (na Top Fan, na mbola tsy tonga amin'izany) manaraka anay sy amin'ny fanohanana omenareo anay hatrany. Mafana tsara ny resaka dia mazotoa e! SUBSCRIBE ➡️ https://www.youtube.com/@VazahaMitenyGasy Izahay s...
Bondy International - Fambolena Hazo 21.02.2024 37:30
Podcast Anay Mitsam - Episode 28 - Bondy International Anisan'ny tanjon'i Bondy International dia ny "mamerina ny nosy mena ho nosy maitso". Ilaina amin'ny fahasalaman'ny tontolo iainana ny hazo sy ny zavamaniry. Aoka izany isika hanohana ireto fotodrafitrasa ireto izay miaro ireo hazo eto amintsika. Ankafizo amin'izay ilay podcast ary é! Bondy International: https://...
Jardin Musical - Choral 29.12.2023 37:20
Podcast Anay Mitsam - Episode 27 - Jardin Musical Marina ilay hoe "ny hazo tokana tsy mba ala," ary ampiana hoe "ny feo tokana tsy mba choral." Soa ihany anefa fa tsy feo tokana no anatin'ilay choral antsoina hoe Jardin Musical fa tena amboarampeo arabakiteny ao Antananarivo. Ankafizo amin'izay ilay podcast ary é! Jardin Muscial: https://www.facebook.com/jardinmusicalma...
Kevin Deris - Réalisateur 22.12.2023 54:04
Podcast Anay Mitsam - Episode 26 - Kevin Deris Ny olon-drehetra dia samy tia sarimihetsika daholo, saingy matetika vitsy no tena mieritretritra momba ny asa ilaina amin'ny famokarana ireo sarimihetsika ireo. Mivahiny amin'ilay podcast androany i Kevin (izay réalisateur na talen'ny sarimihetsika) hanampy amin'ny fanazavana ny zavatra ilaina amin'ny fanaovana sarimihetsika, ary k...
Andy Rako - Mpilalao Foot, Mpanefy Firavaka 13.12.2023 44:45
Podcast Anay Mitsam - Episode 25 - Andy Rako Andy dia lehilahy mahaliana manana lisitry ny traikefa maro loko. Nanomboka nilalao football tamin'ny fahatanorany izy dia nitombo ka lasa mpandraharaha miasa amin'ny resaka firavaka ao anatin'ny "Unchained Paris". Ankafizo amin'izay ilay podcast ary é! Unchained Paris: https://unchainedparis.com/ Unchained Paris Instagram: htt...
Nirian - Mpahandro Malagasy Tanora 24.11.2023 43:41
Podcast Anay Mitsam - Episode 24 - Nirian Manana talenta be ny Gasy e! Anisan'izany, tena manan-talenta amin’ny mahandro sakafo ny Malagasy. Ny vahintsika anio dia ohatra tsara amin’izany: Nirian. Izy dia chef tanora ary tia mampiseho ny sakafo amboariny amin'ny clip haingana zaraina amin'ny tambazotra sosialy. Ankafizo amin'izay ilay podcast ary é! Nirian: https://www.tiktok.com/@...
Tinka - Créateur de Contenu 15.11.2023 47:27
Podcast Anay Mitsam - Episode 23 - Tinka Fanamarihana: Natao tamin'ny teny Frantsay ity episode iray ity. Tsy mitsaha-mitombo isan-taona ny fidiran’i Madagasikara maneran-tany. Afaka manamarina izany i Tinka (na Tatiana), mpamorona contenu malaza manana mpanaraka maherin'ny 250 mille ao amin'ny Instagram. Androany isika dia mibanjina ny traikefa tsy manam-paharoa niainany. Ankafizo ami...
Hypemada - Hetsika Malagasy any France 06.11.2023 48:43
Podcast Anay Mitsam - Episode 22 - Hypemada Ny Hypemada dia vondrona malaza amin'ny fanomanana hetsika any Frantsa ho an'ny tanora Malagasy. Ireo hetsika ireo dia tsy ny zava-niseho mahazatra amin'ny "kolontsaina malagasy" taloha, fa saingy mitondra ny maha-Malagasy ho an'ny tanora ankehitriny. Miasa mafy izy ireo amin’ny fanomezana lanja ny kolontsaina ho an’ireo Malagas...
Denise - Mpihira 23.10.2023 51:35
Podcast Anay Mitsam - Episode 21 - Denise Mpihira malaza eran-tany i Denise fantatra amin'ny hira mahasarika sy ny lamaody sady miavaka no mahafinaritra. Faly izahay niresaka taminy momba ny mozikany, ny fifandraisany tamin'i Shyn, ary ny zavatra niainany tamin'ny naha-reny azy. Faly koa izahay niresaka tamin'azy momba ny tetikasa ho avy. Ankafizo amin'izay ilay podcast ary é!...
Mamy Ranto - Mpanao Sarimihetiska 16.10.2023 54:07
Podcast Anay Mitsam - Episode 20 - Mamy Ranto Mpanamboatra sarimihetsika izy, mpilalao sarimihetsika, ary ambonin'ny zava-drehetra, mirehareha amin'ny asany izy. Tian'i Mamy Ranto ny sanganasany ary mientanentana amin'ny fandrosoan'ny tontolon'ny sinema malagasy. Ny horonan-tsarimihetsika farany navaokany, "Tafita", dia mampiseho an'ilay hoe efa tonga hatraiza...
Antsa sy Antsa - Mpandihy 06.10.2023 41:30
Podcast Anay Mitsam - Episode 19 - Antsa sy Antsa Ny dihy no tena mitoetra tsara ao anatin'ny kolotsaina malagasy, ary soa ihany fa misy an'i Antsa sy Antsa eo mba manosika an'ilay mandroso foana. Manana toeram-pandihizana izy mivady (izay samy mitondra ny anarana hoe "Antsa") ary mampianatra ny dihy amin'ny alalan'ny fanabeazana. Mazotoa mihaino sy mijery ary é! Ants...
Eileen Akbaraly - Made for a Woman 22.09.2023 51:25
Podcast Anay Mitsam - Episode 18 - Eileen Akbaraly Fanamarihana: Ho anareo izay te hianatra teny anglisy (na ho an'izay efa mispeak be), natao tamin'ny teny anglisy ity episode iray ity. "Made for a Woman" dia marika akanjo tsara kalitao natsangan'i Eileen Akbaraly. Malaza eo amin’ny resaka lamaody ny marika, sady mitondra ireo akora voajanahary avy any Madagasikara manerana...
Prisca Michelle - Mpanao Makiazy 13.09.2023 48:07
Podcast Anay Mitsam - Episode 17 - Prisca Michelle Ny makiazy dia lasa tena fiainana andavanandro ho an'ny maro manerana izao tontolo izao. Tsy nampoizin’i Prisca Michelle indray andro any fa ho lasa mpanao makiazy, fa noho ny fahafoizan-tenany sy ny fahaizany, dia nahita fahafahana hanohy ny asany any ivelany izy. Nianatra fahaiza-manao maro izy teny an-dalana izay nanampy azy ho lasa mpandra...
Yaël - Marine Corps (Miaramila) 04.09.2023 1:01:16
Podcast Anay Mitsam - Episode 16 - Yael Ny Marine Corps any Etazonia dia fantatra ho iray amin'ireo fikambanana miaramila henjana indrindra eran-tany. Angamba izay no nahasarika an'i Yaël hisoratra anarana handray anjara amin'izany. “Marina” zato isan-jato izy ankehitriny ary iainany avokoa ny traikefa sy ny sedra rehetra aterak’izany. Mahafinaritra ny miresaka aminy, fa dia ndao ary m...
Mirary Fihobiana - Mpihira Sary Miaina 25.08.2023 42:01
Podcast Anay Mitsam - Episode 15 - Mirary Fihobiana Tianao ve raha adika teny Malagasy ny film Disney ireny? Izany no hita amin'ny pejy Facebook an'i Mirary Fihobiana izay mpandika ireo hira misy amin'ny sary miaina malaza ireny. Mahafinaritra ery mijery sy mihaino ny hira malaza nadika amin'ny teny Malagasy mazava tsara! Mirart: https://www.facebook.com/profile.php?id=100089568685...
Christian - Mpiseho Télé 16.08.2023 38:56
Podcast Anay Mitsam - Episode 14 - Christian Raha nijery télé ianao, na indray mandeha, nanditra ny efa roapolo taona lasa izay dia efa hainao tsara ilay Christian resahana androany. Izy no olona efa niasa tamin'ny télé sy radio hatramin'ny mbola kely ka hatramin'izao izy mbola kely io dia mbola haintsika tsara foana. Ndao ary isika miditra amin'ny fandaharana fa resaka télé, moper...
ColombeS Ran - Mpihira 07.08.2023 35:27
Podcast Anay Mitsam - Episode 13 - ColombeS Ran Miresaka amin'i ColombeS Ran izahay roa lahy androany. Izy no mpihira avy any Madagasikara, sady mandalo any Etazonia izy izao mitady fahafahana mampandroso an'izay maha-mpihira an'azy. Efa nihaona tamin'i Simon Cowell izy (izay mpitsara malaza amin'ny emission America's Got Talent). Mazotoa mijery sy mihaino ny podcast amin&#...
Hasina sy Tiana - Vazaha Miteny Gasy 31.07.2023 48:43
Podcast Anay Mitsam - Episode 12 - Hasina sy Tiana Tafatafa sy resaka ny thème androany! Miara-mamaky commentaires Hasina sy Tiana amin'ity episode iray ity. Tongava ary manala azy miaraka aminay e! SUBSCRIBE ➡️ https://www.youtube.com/@VazahaMitenyGasy Izahay sy i Tiana no miara-manao hetsika vaovao: Ny Podcast Anay Mitsam! Ilay izy dia sponsorisé par @Taptap Send Madagascar!!! Izay applicati...
Farahlonewolfe - Mpitondra Moto 19.07.2023 45:58
Podcast Anay Mitsam - Episode 11 - Farahlonewolfe Sarotra ve ny fiainan'ny vehivavy mahaleo tena any Madagasikara? Ary mety ho vitsy ny vehivavy Malagasy izay afaka miteny hoe anisan'ny fialam-boly tiany ny mitondra moto, fa anisany tsara mihitsy i Farah. Izy no olona tia mandehandeha mitondra moto eraky ny Madagasikara mahita ny fiainam-pirenena. Hita taratra amin'ny tatoazy ny traike...
Toni Rasoamiaramanana - Mpaka Sarin'i Andry Rajoelina 07.07.2023 48:32
Podcast Anay Mitsam - Episode 10 - Toni Rasoamiaramanana Asa matotra ny miara-miasa amin'ny filoham-pirenena (sao dia ataonao "Dia ahoana Andry é" eo an...). Soa ihany izany fa i Toni Rasoamiaramanana no sahady matotra no tena miasa mafy amin'ny maha-mpaka sary an'azy. Na any Inde izy no maka sary amin'ny mariazy, na any Etazonia izy no maka sary any amin'ny birao ova...
JD Rand - Mpitainga Trottinette Professionnel 23.06.2023 1:03:00
Podcast Anay Mitsam - Episode 9 - JD Rand Mafy izany fiainan'ny mpanao sports extrêmes izany fa tsy maintsy miatrika risque be amin'ny fiainana andavanandro. Saingy fitiavana be an'ilay sport koa ilay izy araky ny hevitr'i JD Rand izay mpitainga trottinette professionnel. Resadresaka milamina izy ity miaraka amin'azy dia mazotoa mihaino sy mijery e! JD Rand: https://www.instag...
Marghe - Mpihira sady Mpandresy "The Voice" 14.06.2023 1:11:55
Podcast Anay Mitsam - Episode 8 - Marghe Iza no tsy naka an'i Marghe tamin'ny fifaninanana "The Voice" tamin'ny 2021? Tsy nanomboka teo akory ny tantaran'i Marghe fa efa nihira hatry ny ela izy io. Mazotoa mihaino àry ny tantarany efa nisy mozika hatramin'ny fahazazana sy ny hoe manao ahoana izany fiainana metisy Malagasy sy Italianina izany. Marghe: https://www.inst...
Geoffrey Gaspard - Malagasy Filmmaker 05.06.2023 39:59
Podcast Anay Mitsam - Episode 7 - Geoffrey Gaspard Fanamarihana: Ho anareo izay te hianatra teny anglisy (na ho an'izay efa mispeak be), natao tamin'ny teny anglisy ity episode iray ity. Raha resaka sarimihetsika dia efa malaza be Madagasikara, fa saingy tsy misy malagasy na iray aza anatin'ny dessin animé iny. Soa ihany fa misy an'i Geoffrey Gaspard izay mpanao sarimihetsika mampi...
Chef Rija sy Vonjy - Spectacle Malagasy 23.05.2023 54:26
Podcast Anay Mitsam - Episode 6 - Chef Rija sy Vonjy Isaorana manokana daholo ny mpanao hatsikana rehetra izay mitondra tsikitsiky amin'ny fiainana andavanandro. Anisan'izany tsara mihitsy i Chef Rija sy Vonjy izay miaraka amintsika eto androany! Fa chef amin'ny inona izany Chef Rija? Ary efa tena hody any Madagasikara marina ve ry Vonjy? Resaka spectacle Malagasy, renin-jaza, ary Alle...
Replaio is not a podcast publisher; show names, artwork and audio belong to their authors and are distributed through public RSS feeds.