Soa i Madagasikara
Soa i Madagasikara
Podcasts sur Madagascar proposés par la webradio 100% musiques, cultures et sociétés malgaches. La voix de Madagascar, fière de ses traditions et en harmonie avec la modernité. Fampielezam-peo an-tserasera malagasy, zato isan-jato mozika, kolontsaina ary sosialy. Ny feon'i Madagasikara, mirehareha amin'ny lovan-drazana ary mifanaraka amin'ny zava-maoderina.
Author
Soa i Madagasikara
Category
Podcast website
Latest episode
Apr 26, 2026
Where to listen?
Podcasts in the app Replaio Radio Coming soonPodcasts are coming to the app soon. Install now and be the first to see a whole new take on podcasts
Episodes
Akon’i Gasikara – Didier Ratsiraka : Fampihavanam-pirenena sy fanorenana ny ho avy 26.04.2026 3:04
Ao anatin’ity raki-peo ity, Didier Ratsiraka, Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara teo aloha, dia mizara fomba fijery lalina momba ny hoavin’ny firenena. Miverina mijery ny zava-bita nandritra ny fitondrany izy, indrindra ireo tetikasa fototra izay nametraka ny lalana ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, taorian’ny vanim-potoana post-colonialy, taorian’ny fitondran’i Philibert Tsiranana. Nam...
Akon'i Gasikara - Sefo Fokontany : tokony hofidiana sa hotendrena ? Hevitry ny Depiote Antoine Rajerison 07.04.2026 1:36
Ao anatin’ny adihevitra momba ny fanavaozana eto Madagasikara, miverina indray ny resaka momba ny toeran’ny Sefo Fokontany. Amin’ity fizarana ity, Antoine Rajerison, depiote an'i Madagasikara, dia mampitandrina ny amin’ny mety hiverenan’ny hadisoana taloha raha toa ka haverina ny fanendrena Sefo Fokontany avy eny ambony. Ny Sefo Fokontany dia fototry ny demokrasia eny ifotony eto Madagasikara, sat...
Mba fantatrao ve ? – Fanehoankevitra momba ny famerenana ny Fokontany ao anaty vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana 07.04.2026 6:00
Ao anatin’ny adihevitra momba ny fanavaozana eto Madagasikara, mipetraka indray ny fanontaniana lehibe : inona no rafitra politika tena mifanaraka amin’ny maha-izy antsika? Amin’ity fandaharana “Mba fantatrao ve” ity, dia resahina ny maha-zava-dehibe ny Fokontany ho fototry ny fandaminana ara-pitantanana sy ara-politika. Tsy vitan’ny hoe rafitra akaiky ny vahoaka izy, fa efa anisan’ny kolontsaina...
Akon'i Gasikara - Michaël Randrianirina : Antso ho an’ny tanora – Fahatsiarovana 29 Martsa 1947 29.03.2026 3:17
Tamin’ny fankalazana ny 29 Martsa 1947 tao Moramanga, Michaël Randrianirina, filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, dia nandefa hafatra mahery vaika ho an’ny tanora malagasy. Miantso ny tanora izy handray andraikitra amin’ny fananganana ny hoavin’ny firenena, ary tsy hanaiky ho voafitaka na ho voazarazara ara-politika, na voasariky ny be resaka efa misotro ronono. Ao anatin’ny lahate...
Akon'i Gasikara - Tanora malagasy sy politika : antso sy hafatra avy amin’i Hajo Andrianainarivelo 21.03.2026 1:01
Amin’ityfandaharana ity, Soa i Madagasikara dia mitondra ampahan’ny kabarin’i Hajo Andrianainarivelo, izay miresaka mivantana amin’ny tanora malagasy. Hafatra mazava no apetrany : ny tanora no ho avin’i Madagasikara, mila miomana sy miofana izy ireo handray andraikitra, ary tsy tokony ho voafitaky ny fizarazarana, na ara-pivavahana, na ara-poko, na ara-politika Tsiahiviny ihany koa ny hetsika nata...
Akon'i Gasikara - Hetsika fambolen-kazo sy politika – inona marina no tanjon’ny Malagasy Miara Miainga ? 21.03.2026 1:21
Amin’ity fandaharana ity, Soa i Madagasikara dia mijery akaiky ny hetsika fambolen-kazo nataon’ny antoko Malagasy Miara Miainga (MMM), notarihin’i Andriamatoa Hajo Andrianainarivelo, >Filoha nasionaly ny Antoko. Fa ankoatra ny lafiny tontolo iainana, misy hafatra politika nozarainy tamin'nizany : ny tena zava-nitranga, ny hafatra sy kabary natao ny tanjona mety ho kendrena, ary ny toerana misy ny...
Mba Fantatrao ve ? - Fanehoankevitra momba ny toerana tokony homena ny Fokonolona sy fitsapankevi-bahoaka 21.02.2026 5:12
Inona marina no anjara toeran’ny Fokonolona amin’ny fitantanana ny firenena? Ary tokony homena lanja bebe kokoa ve ny fitsapankevi-bahoaka amin’ny fanapahan-kevitra lehibe? Ao anatin’ity fizarana “Mba Fantatrao ve ?” ity, mandinika lalina ny toerana tokony hisy ny vahoaka amin’ny rafitra demokratika eto Madagasikara isika. Resahina ny andraikitry ny Fokonolona, izay fototry ny fiarahamonina malaga...
Akon'i Gasikara - Fitsidihana Ofisialy any Rosia : Fanavaozana sy Fiandohana Vaovao 19.02.2026 1:27
Nanao fitsidihana ofisialy tany Rosia ny Filohan’ny Repoblika Michaël Randrianirina, tao anatin’ny fanamafisana sy fanavaozana ny fifandraisana diplomaty efa naharitra 55 taona teo amin’i Madagasikara sy Rosia. Tamin’ny lahateniny voalohany dia nanambara izy fa fotoana hanombohana fiandohana vaovao izao. Tsy fanohizana fotsiny ny fifandraisana taloha, fa fanamafisana fiaraha-miasa mifototra amin’n...
Akon'i Gasikara - Didier Ratsiraka sy ny Vinan’ny Angovo : Bemolanga sy Tsimiroro, Fahafahana Very sa Fotoana Mbola Azo Raisina ? 19.02.2026 1:44
Ao anatin’ity fizarana ity dia hiverenantsika ny vanim-potoanan’ny fitondran’i Didier Ratsiraka, sy ny paikady napetraka momba ny loharanon-kery eto Madagasikara. Tamin’izany fotoana izany dia efa nisy fandinihana lalina momba ny gisement solika mavesatra ao Bemolanga sy Tsimiroro. Harena voajanahary goavana izay heverina fa afaka mamaly ampy ny filàn’ny firenena amin’ny resaka angovo. Ny vinavina...
Akon'i Gasikara - 31 Desambra 2025, Ny Lalana Efa Natoron’ny Tanora 31.12.2025 2:09
Ao anatin’ity podcast ity dia henontsika ny ampahan’ny lahatenin’ny Filoha Michaël Randrianirina tamin’ny 31 Desambra 2025. Ao anatin’izany kabary izany dia nanamafy izy fa “efa voatrasy ny lalana”. Lalana notarihin’ny tolona sy ny fahasahian’ny tanora izay nijoro sy naneho ny faniriany ho amin’ny fanovana. Araka ny nambarany, ny tanjona dia ny hananganana Repoblika faha-5, rafitra vaovao izay hev...
Akon'i Gasikara - Kabary nataon’i Michaël Randrianirina – Toromarika ho an’ny governemanta vaovao 28.10.2025 1:40
Tamin’ny 29 oktobra 2025, nandritra ny fananganana ny governemanta voalohany, Michaël Randrianirina dia nanao kabary mazava sy hentitra ho an’ireo minisitra vaovao. Nohamafisiny fa tsy tompon’andraikitra amin’ny tenany ireo mpikambana ao amin’ny governemanta, fa mpanompon’ny vahoaka. Ny vahoaka no “mpampiasa” azy ireo, ka tokony hiasa ho amin’ny tombontsoan’ny firenena izy rehetra. Nampitandrina i...
Akon'i Gasikara - Mikolo : Feon’ny GenZ Tsy Natahotra 05.10.2025 1:36
Ao anatin’ity fizarana ity dia hifantoka amin’i Mikolo, mpianatra iray izay lasa endriky ny GenZ nandritra ny hetsika nataon’ny tanora teto Madagasikara. Na teo aza ny fisian’ny hery mitam-piadiana sy ny famoretana mafy, dia nijoro izy, tsy tamin’ny fitaovam-piadiana, fa tamin’ny teny. Teny tsotra, mazava, tsy miolakolaka. Teny naneho fahasahiana sy fahatsapana fa ampy izay ny fahanginana. Nandrit...
Akon'i gasikara - Antson’ny Ray aman-dReny avy any Sambava ho an’ny Tanora : Aza Manaiky ny Tsy Rariny 05.10.2025 1:45
Ao anatin’ity fizarana ity dia heno ny antso mafy nataon’ny Ray aman-dReny iray avy any Sambava nandritra ny hetsika nataon’ny GenZ eto Madagasikara. Tsy nanafina hevitra izy, ary tsy nihodinkodina tamin’ny teniny. Manoloana ny famoretana sy ny herisetra nitranga, ary indrindra ny fahaverezan’aina nahazo tanora mpianatra, dia niantso mivantana ireo zanaka sy tanora rehetra ao amin’ny faritra SAVA...
Akon'i Gasikara - GenZ Renim-pianakaviana manohana ny zanany 05.10.2025 3:28
Ao anatin’ity fizarana ity dia mitantara renim-pianakaviana iray izay niara-nandeha tamin’ny zanany lahy nandritra ny hetsika nataon’ny GenZ eto Madagasikara. Tsy fijery ivelany fotsiny no nataony, fa tena fanapahan-kevitra lalina. Hoy izy, tsy afaka hijanona ao an-trano intsony raha mahita ny herim-po sy ny fahavononan’ny zanany hiady ho an’ny hoaviny. Fantany tsara fa ity taranaka ity no tena ni...
Akon'i Gasikara - Marina daholo ny lazainao Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY 24.09.2025 1:39
Ao anatin’ity fizarana ity dia averina jerena ny lahateny nataon’i Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY fony izy mbola tao amin’ny fanoherana. Tamin’izany fotoana izany dia mazava sy hentitra ny teniny, niaro ny zon’ny olom-pirenena haneho hevitra sy haneho tsy fahafaham-po amin’ny alalan’ny hetsika sy fanehoan-kevitra an-dalambe. Nambarany fa zo fototra ao anatin’ny demokrasia ny fanehoan-kevitra sy...
Akon'i Gasikara - Profesora James RATSIMA manamafy ny Fitiavan-tanindrazana 20.09.2025 0:54
Ao anatin’ity fizarana ity dia manazava mazava ny Profesora James Ratsima fa tsy tokony ho teny mamy re amin’ny kabary na lahateny ihany ny fitiavan-tanindrazana. Tsy ampy ny miteny hoe “tiako i Madagasikara” raha tsy hita amin’ny fihetsika sy ny safidy andavanandro izany. Resahiny fa ny tena fitiavan-tanindrazana dia hita amin’ny fomba itondrantsika ny firenena, amin’ny fanajana lalàna, amin’ny f...
Akon'i Gasikara - Profesora James RATSIMA mametraka fanontaniana 20.09.2025 1:17
Fanon taniana mila valiny avy amin'ny fitondrana tarihin'ny Filoha Andry Rajoeliana. Rasaka halabato amin'ny fifidianana, tsindry hazolena, fandrahonana ny mpiara-monina, ary mangony manokana ny fanodikodinana ny harem-bahoaka.
Mba fantatrao ve ? - Ny adidy sy andrikitry ny olompirenena aorian’ny fifidiana 17.03.2025 11:38
Ny demokrasia dia fahefan’ny vahoaka, avy amin’ny vahoaka, ho an’ny vahoaka. Fahefan’ny vahoaka (satria vahoaka masimandidy). Ary avy amin’ny vahoaka (Izay voalazantsika teo hoe mamindra ny fahefana amin’ny olomboafidy amin’ny alalan’ny fifidinana). Fa indrindra ho an’ny vahoaka (Mba ahafahan’ireo mametraka volavolan’asa ho ampandrosoana ny firenena, ho fanasoavana ny vahoaka ao aminy). Arak’izany...
Mba fantatrao ve ? - Ny voalaza ao anaty lalampanorenana momba ny Kaominina 01.12.2024 13:16
Ny fanontaniana azontsika tonga dia apetraka avy hatrany dia hoe : Tena mizaka tena ara-pitantanana sy ara-bola araky ny voalazan’ny lalampanorenana tokoa ve ny nondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana sa tsia, fa mbola tsy izay moa ny resaka eto androany. Voalaza ihany koa ao amin’io ndininy faha-139 io fa ny vondrombahoakam-paritra Itsinjaram-pahefana no sehatra eo amin’ny rafi-pitondrana aha...
Mba fantatrao ve ? - Ny Repoblika nifandimby teto Madagasikara - Tapany voalohany 26.06.2024 11:03
Ny repoblika voalohany dia ny « Repoblika Malagasy » izay nanana ny teny filamatra : Fahafahana-Tanindrazana-Fandrosoana, nanomboka tamin' ny 14 Ôktôbra 1958 ka hatramin’ ny 30 Desambra 1975. Ny lalàmpanorenana voalohany dia nanan-kery nanomboka ny 29 Avrily 1959. Ny nanambarana ny fahaleovan-tena kosa dia ny 26 Jona 1960 Ny lalàmpanorenana voalohany dia nametraka ny antenimirampirenena sy ny ante...
Mba fantatrao ve ? - Ny asa sy andraikitry ny Solombavambahoaka - Tapany fahatelo 02.06.2024 15:16
Resaka momba ny asa sy andraikitry ny solombavambahoaka tapany fahatelo araky ny voalaza ao anaty lalampanorenana manomboka eo amin’ny andininy faha-68 hoe : Ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona no mandrafitra ny Antenimiera. Izy no mandany ny lalàna sy manara-maso ny asan'ny Governemanta ary ny fanaovana tombana ny politikam-panjakana izay efa voalaza tamin’ny fandaharana tapany voa...
Akon'i Gasikara - Mafy ny fiainana ao Mandritsara 02.06.2024 2:37
Efa ny Malagasy manerana ny Nosy no mahatsapa fa mafy ny fiainana andavan'andro. Mpitondra Bajaja sy mpandinika ny raharaham-pirenena no milaza ny sationan'ny fahorian'ny vahoaka ao Mandritsara, faritri'i Sofia, izay mahatsapa fa adinon'ny mpitondra. Na izany aza dia miandrandra ny firenenan tan-dàlana ihany ny vahoaka na dia maro aza ireo hetsika maro ataon'ny mpitondra tsy mifanaraka @ izany.
Mba Fantatrao ve ? - Ny asa sy andraikitry ny Solombavambahoaka - Tapany faharoa 26.05.2024 10:51
Noho ny fangatahana fanazavana fanampiny momba ny asa sy andraikitry ny solombavambahoaka avy amintsika mpihaino, dia nasiana tapany faharoa ity fandaharana ity. Tokony ho tankintsika ihay koa ny mangarahara mahakasika ny fampiasana ny tetibola izay tantanan’izy ireo fa tsy solombavambahoaka hihinana ny volambahoaka akory no ifidianana azy ireo sanatrian’ny vava. Fa solombavambahoaka hitondra ny h...
Mba Fantatrao ve ? - Ny asa sy andraikitry ny Solombavambahoaka - Tapany voalohany 09.05.2024 10:32
Fandaharana izay hanaovana fitaizana olom-pirenana araky ny fampahafatarana izay efa natao, eto amin’ny radio Soa i Madagasikara. Ny fanontaniana izay hezahintsika ho valiana amin’ity fandaharana voalohany ity dia ny hoe : « Mba fantatrao ve » ny asa sy andraikitry ny solombavambahoaka araky ny voalaza ao anaty lalampanorenana ?
Akon'i Gasikara - Ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety 04.05.2024 3:16
Aiza ho aiza ny fahafahana sy ny fahalalahana misy ho an'ireo mpanao gazety rehefa hamoaka ny vaovao marina eto amintsika. Ny famakafakan'i Hervé RAKOTOZANANY, mpanao gazety sy mpampianatra.
Replaio is not a podcast publisher; show names, artwork and audio belong to their authors and are distributed through public RSS feeds.