Soa i Madagasikara
Soa i Madagasikara
Podcasts sur Madagascar proposés par la webradio 100% musiques, cultures et sociétés malgaches. La voix de Madagascar, fière de ses traditions et en harmonie avec la modernité. Fampielezam-peo an-tserasera malagasy, zato isan-jato mozika, kolontsaina ary sosialy. Ny feon'i Madagasikara, mirehareha amin'ny lovan-drazana ary mifanaraka amin'ny zava-maoderina.
Author
Soa i Madagasikara
Category
Podcast website
Latest episode
Apr 26, 2026
Where to listen?
Podcasts in the app Replaio Radio Coming soonPodcasts are coming to the app soon. Install now and be the first to see a whole new take on podcasts
Episodes
Mba fantatrao ve ? - Fanolorana 02.05.2024 9:43
Fandaharana izay hanaovana fitaizana olom-pirenana izay anasana antsika olompirenena rehetra mahatsapa fa manana adidy sy andraklitra amin’ny mpiaramonina sy ny mpiarabelona satria ny fahalalana dia harena.
Fatambary - Ny Vehivavy Malagasy 22.04.2024 5:22
Raha vao miresaka an’i Madagasikara isika dia anatin’ny saina avy hatrany ny teny hoe « Firenena » ; izany ahenoana ny teny « Reny ». Anio isika dia hiezaka ny hamaritra ny toe-tsaina sy ny fitondran-tena ary ny toeran'ny Vehivavy eto eo @ fiaraha-monina malagasy. Aina ny Vehivavy Malagasy, satria mampita, mitondra ary miaro izany eo anivon’ny ankohonany sy ny mpiara-belona aminy. Ravaka ihany koa...
Fatambary - Tanisa Faharoa 15.04.2024 4:13
Tohin'ny fandaharana miresaka ny tahanisa vitsivitsy momba an'i Madagasikara. Toa ny fitomboan'ny mponina sy ny toerana misy ny tanora eo an'inivon'ny fiarahamonina malagasy.
Fatambary - Tanisa Voalohany 08.04.2024 4:13
Amin’ity fandaharana ity dia itodika kely ny momba ny tahanisa vitsivitsy isika izay novinanian’ny famatsiam-bola iraisam-pirenena, ho an’ity taona efatra ambin’ny roapolo sy roa arivo ity. Isa manome hanampy antsika hisafidy ny lohahevitra aroso eto.
Fatambary - Fanolorana 01.04.2024 3:29
Fandaharana omentsika anarana hoe « Fatambary » toy ilay kapoaka ampiasaina andavanandro, ilaina rehefa hanokona vary. Ilaintsika tokoa ny mandrefy sy mandanjalanja ny antony maro mahatonga ny firenena toa izao na an-kasoavana na an-karatsiana izany. Fandaharana hanasana antsika rehetra handray anjara tsy am-pihafahafana. Fandaharana mizara sy mampita hatrany ary maneho fa tena kanto sy soa tokoa...
Akon'i Gasikara - 29 Marsa 1947 29.03.2024 5:47
Hatramin'ny fahafantaran'ny Malagasy fa mizaka zo-pirenena frantsay ny Filoha Andry Rajoelina, dia maro ny feo manakiana fa tsy mendrika ny hanamarika ny tsingeri-taona fahatsiarovana ny tolona nataon'ny Malagasy nitaky fahaleovan-tena ny Vazaha (Loharano : KoloTv).
Akon'i Gasikara - Herisetran'ny mpitandro filaminana 21.02.2024 4:03
Herisetran'ny mpitandro filaminana sy fanitsakitsahana ny zon'olombelona. Dinika miaraka @ i Andrianjakamahery Hervé, filohan'ny fikambanan'ny mpianatra Oniversite, sy @ i Ramanamiseta Johary Carol, Mpandrindra nasionaly ONDH (Loharano : KoloTv)
Akon'i Gasikara - Miakatra ny rano eny ambany tanàna 26.01.2024 1:48
Tsy misy fihatsarana ny fiainan'ny mponina eny ambany tanàna rehefa fahavaratra. Miakatra ny rano, mitondra haretina isan-karazany. Hatreto aloha dia tsy mbola ahitana rafi-drasa isorohana izany. Mankony ihany koa ny fitohizan'ny fanotofana tany ataon'ny etsy ambony tanàna (Loharano : KoloTv)
Akon'i Gasikara - Tsy fahandriampahalemana vokatry ny jiro tapaka 18.01.2024 2:28
Tsy milamina ny eny Ankazomanga noho ny fahatapahan'ny jiro matetika. Miaina lavitry ny fahadriampahalemana ny mponina. (Loharano: KoloTv)
Akon'i Gasikara - Tsy vahaolana ny Jiro Kapoaka 23.12.2023 1:15
Naresaka nandritry ny propagandy 2023 ny fizarana jiro eraky ny tanàna. Tsy vahaolana hialana @delestazy io hoy ny mpiara-monina. Nahazo anarana malaza ho Jiro Kapoaka. (Loharano : KoloTv)
Akon'i Gasikara - Ny Malagasy sy ny kabary Rajoelina 18.07.2023 2:48
Maro ireo resabe tato ato mikasika ny filoha Andry Rajoelina. Anisan'izany ny fizakany zo-pirenena frantsay. Ahoana ny fahitan'ny eny an-dalambe ny kabary fanadiovan-tena nataony. (Loharano : KoloTv)
Akon'i Gasikara - Profesora James Ratsima mametraka fnontaniana 30.06.2022 1:17
Amin’izao vanim-potoana manahirana ny firenena izao dia mametraka fanontaniana vitsivitsy ny Profesora James Ratsima, izay miandry valiny avy amin’ny fitondrana. Mikasika ny fanomanana ny fifidianana eto Madagasikara, miavaka ireo fanomezam-boninahitra fotsiny tsy misy atiny. Manao izany hahazoana seza fotsiny ireo mpanao politika, dia manadino ny vahoaka indray rehefa tafapetraka eo amin’ny seza.
Akon'i Gasikara - Profesora Ranjeva : ny fampianarana 23.09.2021 1:49
Manamariva ny Profesora Raymond Ranjeva fa zavadehibe ny fampianarana ny Malagasy. Ilaina io iatrehana ny sy hanatsarana ny hoavin'i Madagasikara (Loharano : Midi Madagasikara)
Akon'i Gasikara - Profesora Ranjeva : ny toekarena malagasy 31.08.2021 2:48
Dinika ataon'i Profesora Raymond Ranjeva mikasika ny toekarena malagasy. Songadiny ahitana fanazavana mahatonga antsika raikitra anaty fahantrana na dia maro aza ireo harena eto @ firenentsika (Loharano : Midi Madagasikara)
Akon'i Gasikara - Profesora Ranjeva manazava ny fahalementsika Malagasy 29.07.2021 1:55
Fanazavan'ny Ray aman-dreny, Profesora Raymon Ranjeva, ny fahalementsika Malagasy, izay antony voalohany manakana antsika hivoatra sy handroso. (Loharano : Midi Madagasikara)
Akon'i Gasikara - Ny vaovao sy ny mpanao gazety 14.06.2021 3:07
Gazety, radio, fahitalavitra ary ankehitriny ny tambazotra sy ny vohikala... ireo fampitam-baovao isan-karazany dia manana toerana lehibe eo amin'ny fiarahamonina sy fahamasinana ny demokrasia. Ahoana ny momba ireo feto Madagasikara ?
Akon'i Gasikara - Fiboahana sy fiantrekany @ adavan'andro 22.05.2021 4:18
Mbola mitohy ihany ny ady amin'ny valanaretina Covid-19. Miverina mihiboka indray ny firenena. Misy fiantrekany amin'ny fiainan'ny tsirairay izany.
Akon'i Gasikara - Vakisiny Covid-19 10.05.2021 1:57
Tonga eto madagasikara ny vakisiny hiarovana amin'ny valanaretina covid-19. Ahoana ny fandraisan'ny tsirairay avy an'izany vaovao izany ?
Ny Fahasalamana #10 - Fiovan'ny valanaretina Covid-19 11.01.2021 7:15
Fandaharana atolotr'i Dr Zo RAKOTONIAINA
Akon'i Gasikara - Fisaorana malagasy 11.01.2021 2:46
Loharano : Kolo Tv
Akon'i Gasikara - Fananana Iombonana 05.01.2021 3:29
Loharano : Kolo Tv 2021
Akon'i Gasikara - Tratry ny taona 04.01.2021 2:15
Loharano : Kolo Tv 2021
Ny Fahasalamana #09 - Vakisiny Pfizer Biontech 04.01.2021 9:43
Fandaharana atolotr'i Dr Zo RAKOTONIAINA
Akon'i Gasikara - Very ny kolontsaina malagasy 19.12.2020 4:12
Loharano : Kolo Tv 2020
Akon'i Gasikara - Vahaolana @ Rano sy Jiro 16.12.2020 2:49
Loharano : Kolo Tv 2020
Replaio is not a podcast publisher; show names, artwork and audio belong to their authors and are distributed through public RSS feeds.